Toe-karena

Airtel « Quizz Mlay »: fialamboly no fahalalana ankapobeny

Ny 30 janoary 2023, olona telo nambara nahazo loka tamin’ny « Quiz Mlay ». La­lao nampanaovin’ny Airtel ny 13 novambra hatramin’ny 22 desambra 2022. Raholi­volo­lona Andriatsilaizina, Saholy Rasoharimalala sy Rako­toa­risoa Andrianiriana nahazo izany loka izany natolotra teny amin’ny foiben’ny Airtel Ivandry natrehan’ny mpitsara lalao. « Fanohanana sy fanajana ny mpanjifa izao loka […]

Fampandrosoana: mbola vitsy ny mampiasa nomerika (digitalisation)

Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï ta­min’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena. Nampahalalana […]

Lavanila – Varotra ivelany : fitsirihana ny kalitao sy ny fenitra takina

Miara-miasa amin’ny fa­dintseranana ny ekipan’ny Sampandraharaha misahana ny kalitao sy fepetra momba ny vokatra (SQC)* eo anivon’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) amin’ny fitsirahana ny lavanila sy ireo vokatra hafa mialohan’ny fandefasana ireo vokatra any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny politika fanadiovana ny fanondranana izany fitsirahana izany, natao indrindra hanamarinana ny […]

Lalam-pirenena RN 6 sy RN 4: mitohy ny fanarenana ny fiviliana vonjimaika

Na efa miverina amin’ny laonina aza ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy ny RN4, tsy maintsy hamafisina ny fivilian-dalana vonjimaika napetraka. Indrindra, ahina ny hisian’ny rivodoza manaraka indray. Araka ny efa notaterina teto, azo andehanan’ny fiara rehetra, isan’izany ny kamio, ny fivilian-dalana sy ny tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena […]

“ Manampy ny fadintseranana ny GasyNet …”

Iray amin’ireo mpiara-mi­asa amin’ny fadintseranana ny GasyNet, anisan’ny asany a­min’izany ny fitsirihina amin’ny «scanner» ireo entana to­n­ga na alefa, araka ny toromariky ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD). Fandalovan’entana eo amin’ny «scanner», fomba iray fanaraha-maso ireo entana raha mifanaraka amin’ny fanambarana natao. Tsy fandaniam-potoana koa ny fampiasana izany ankehitriny, tafiditra ho […]