Vonona hanampy ny firenena Afrikanina amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena i Sina. Mila jerena manokana ireo sehatra mifanaraka amin’ny filan’ny firenena Afrikanina ao anatin’ny fanajana ny tombontsoan’ny firenena roa tonta. Mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara ny firenena sinoa, indrindra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena. Voaresaka izany nandritra ny fihaonambe […]
Toe-karena
Fiovaovan’ny toetr’andro: famatsiam-bola 53 tapitrisa dolara azo
Firenena anisan’ny miaina ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Lasibatra ny fambolena, izay mazàna miantraika amin’ny fiainan’ny mponina ny sy vidim-piainana andavanandro. Noho izany, nisitraka famatsiam-bola mitentina 53 856 003 dolara, avy amin’ny filankevi-pitantanan’ ny Fonds vert pour le climat (FVC), ny fandaharanasa DEFIS+. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha manoloana […]
Taolagnaro – zep : hamokatra zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona
Fanamby apetraky ny fanjakana ny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hamorona asa ho an’ny tanora hampandrosoana ny toekarena isam-paritra. Napetraka ao Manatantely, kaominina Soanierana, distrika Taolagnaro, faritra Anosy, ny vatofototra an’ilay “zone d’émergence piscicole de (ZEP) Manatantely. Tetikasa entina hamokarana zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona sady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. […]
Fananantany : karatany 6 987 voazara tao Toamasina II
Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fizarana karatany ho an’ny Malagasy manerana ny Nosy entina hampandrosoana ny firenena. Karatany 6 987 no voazara ho an’ny mponina tao Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fizarana karatany sy bokin-tany ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Anisan’ny nisitraka ny tetikasa ny faritra Atsinanana. […]
Fizahantany : 63 000 ny Malagasy nitsidika valan-javaboahary
Tsy mitsaha-mitombo ! Manomboka mahaliana ny Malagasy ny mitsidika valan-javaboahary. Manana ny anjara birikiny ny fisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fizahantany”, nanomboka ny taona 2020. Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, satria nampihisatra ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy teto Madagasikara, ny fisian’ny tranga Covid-19. Araka ny antontan’isa avy amin’ny Ofisim-pirenena ho […]




