Toe-karena

Toliara : mitaky ny hanokafana ny Base Toliara ny hery velona rehetra

Nanao fanambarana iombonana ny sokajin’olona marobe, omaly 27 janoary tany Toliara. Nahitana fikambanana, olobe, tanora ary olon-tsotra, nitaky ny filoham-pirenena Rajoelina Andry hanokatra ny orinasa Base Toliara. Nitarika izany ny filohan’ny vovonan’ny olobe any To­liara, Mana Parfait. Mivantana any amin’ny filoha Rajoelina ny antsony, milaza fa « efa nahaangona ny hevitry […]

Fianarantsoa: fahatelo amin’ny famokarana tantely

Mamokatra tantely 16 000 t isaky ny fotoam-pamokarana ny faritra Ma­tsiatra Ambony. Fahatelo aorian’i Vatovavy sy Amo­ron’i Mania izy raha ny famokarana tantely ao anatin’ny faritanin’i Fia­narantsoa. Tao­rian’Am­bositra dia i Fia­na­rantsoa indray, omaly 27 janoary 2023, no nandray ireo milina fanodinana tantely, isan’ireo fitaovana hananganana orinasa 75 efa tonga, amin’ilay tetikasa orinasa iray […]

Fadintseranana malagasy: 4240 miliara Ar ny hetra nampidirina tamin’ny 2022

Nankalazaina tany Antsirabe ny 26 janoary 2023 teo ny Andro eran-tany ho an’ny fadintseranana. Nankalaza izany koa ny tany amin’ny faritra rehetra misy fadintseranana eto Madagasikara. Niompana tamin’ny lohahevitra fanohanana ny tanora ny fotoana, natrehan’ny mpianatra maro sy sokajin’olona samihafa. Lohahevitra naroson’ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD) ny hoe  « Fano­hanana ireo […]

USAID-Hay tao… Ho rakotr’ala indray i Madagasikara

“Maro ny vokatra azo tamin’ny tetikasa USAID Hay tao”, hoy ny tompon’andraikitra. Manampy an’i Madagasikara mba  hanatratra ny tanjona:  “Ho rakotr’ala indray. Nofaranana  tamin’ny fikaonandoha teo anivon’ny  mpikambana ny tetikasa USAID Hay tao, omaly. Notanterahana teny Anosy ny lanonana.  Tanjona ny hanampiana an’i Madagasikara  amin’ny  fitantanana  ny harena voajanahary  sy […]