Nisokatra tamin’ny talata teo ny masoivoho (agence) voalohan’ny Orange Madagasikara ao Maintirano, faritra Melaky. Eo afovoan-tanàna, akaikin’ny tsena ary tsy lavitr’ireo biraom-panjakana no misy azy, amina velarana 66m2. “Maneho ny hetahetan’ny Orange Madagascar hanakaiky kokoa ny mpanjifany ity masoivoho vaovao ity, amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filan’izy ireo”, hoy ny tale […]
Toe-karena
Tao anatin’ny 10 taona : miaina ao anaty fahantrana ny 75,2% ny Malagasy
Mitotongana ny fiainan’ny tokantrano malagasy tao anatin’ny folo taona, indrindra ny any ambanivohitra. Mahantra avokoa ny 75,2% amin’ny mponina. Mbola miaina ao anaty fahantrana lalina ny Malagasy. Mahantra avokoa ny 79,9%-n’ny mponina eny ambanivohitra raha toa 55,5% amin’izany ho an’ireo monina an-tanàn-dehibe, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena, omaly. Tao anatin’ny […]
“Salon ITM, IHM”: mpitsidika manodidina ny 15 000 no andrasana
Miditra amin’ny andiany fahafolo ny ITM amin’ity taona ity, raha andiany voalohany kosa izany ho an’ny IHM. Mifameno ny tontolon’ny fizahantany sy ny asa tanana ka izany no hanaovana izao hetsika izao. Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny “International Tourisme […]
67ha Avaratra Andrefana : nisitraka jiro cobra ny mponina
Mitohy ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny vahoaka amin’ny fitondrana hazavana, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nahafaly ny mponina ny fisitrahana ireo jiro cobra teny amin’ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana. Nitohy, omaly, ny fametrahana jiro cobra hanazava ny lalana maro eto Antananarivo. Nisitraka izany ny mponina teo anivon’ny fokontany 67 ha Avaratra Andrefana. […]
Mvola: hanampy ny fikirakirana vola ny tolotra Fameno
Misy ny tolotra vaovao Fameno, navoakan’ny orinasa MVola. Nentina hamonjena ny mpanjifa raha sendra tsy ampy ny volany ao amin’ny kaontiny, ahafahany mandefa vola na koa mividy zavatra na handoa faktiora. Hatramin’ny 1.000.000 Ar ny vola azo indramina ary maimaimpoana tsy misy sarany. Azo honeran’ny mpanjifa ao anatin’ny fito andro, […]




