Toe-karena

Fanaovan-gazety: fiofanana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fananan-tany ary ny miralenta

Natao ny 20 hatramin’ny 23 febroary 2024 teo, tany Toliara, ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety avy any amin’ny faritra valo. Nifantohana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fananan-tany ary ny miralenta. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fampiharana avy hatrany. Mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro daholo, ankehitriny, ny lafin-javatra rehetra. Izay […]

Fizahantany: masoivohon’i Madagasikara ny mpiseradia

Mitaky fifehezana zavatra maro samihafa ny asana mpiseradia noho izy miantoka ny se­hatry ny fizahantany iray ma­nontolo. Masoivohon’ny firenena malagasy izy ireny satria mampahafantatra ny hakanton’ny Nosy amin’ireo mpivahiny tonga eto an-toerana sy hiza­ra izany ho an’ny hafa. Ankoatra izay, mifameno tanteraka amin’ ny firoboroboan’ny teknolojia ny asana mpitaridia. «Tsy […]

Famatsiana herinaratra: Vonona hanohana ny tetikasa Sahofika sy Volobe ny UE

Hanolo-tanana ny fanjakana malagasy ny Vondrona Eoropeanina (UE) amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Sahofika sy Volobe. Vonona hamatsy vola ny tetikasa izy ireo. Naneho ny fahavononany hanohana ny tetiksa Sahofika sy Volobe ny Vondrona Eoropeanina (UE) tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle Delattre Burger, omaly. « Manantena aho fa tsy ho ela […]

Fanatsarana ny fitaterana : hiara-hiasa i Madagasikara sy Inde

Nihaona tamin’ny masoivo­hon’i Inde eto Madagasi­kara, Atoa Bandaru Wilson­babu, ny minisitry ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny zoma teo, hanatsarana ny tontolon’ ny fitaterana eto Madagasi­kara sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaresaka, nandritra izany, ny fomba hampitomboana ny fiaramanidina sy ny sidina mampitohy an’i Madagasikara […]

Fambolen-kazo 2024: velaran-tany 4 058 ha voavoly

Notanterahina ny zoma teo, tao Analavory, fokontany Antaratasy, kominina ambanivohitra Mahavelona Foulpointe, ny taom-pambolen-kazo 2024, ao amin’ny faritra Atsinanana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore. Velarantany 4 058 ha no voavoly zana-kazo 11 000 fototra nandritra io fotoana io. Nandray anjara tamin’izany sy voasolotena […]