Atahorana ny hisian’ny krizy ara-bary aty Afrika. Antony, tafakatra amin’ny vidiny ambony indrindra, 600 dolara (2 700 000 Ar) ny iray taonina (izany hoe 2 700 Ar ny kilao) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ankehitriny. Nambaran’ny mpahay toekarena sady mpikaroka ao amin’ny Antenimieran’ny fambolena, Thierry Pouch, tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny France 24, ny janoary 2024 […]
Toe-karena
MMRS : fambolen-kazo teny Masindray
Nanatontosa ny fambolen-kazony, omaly, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny rantsa-mangaika ary ny mpiara-miombon’antoka aminy teny Tsiakarana, kaominina Masindray. An’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny tany, saingy natolotra ny Omnis ho hampiasainy. Miisa 5.000 ny zanakazo nambolena, nahitana acacia, kininina, filao, tamin’ny velaran-tany 3,5 ha. Nampirisika ny tsirairay ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, […]
Ora-mikija : arenina ny lalana tena ratsy amin’ny RN6
Miantraika amin’ny fotodrafitrasa ny rotsakorana misesy amin’izao fotoana izao, manerana ny Nosy. Anisan’ny tena voa mafy ny lalana, toy ny lalam-pirenena any amin’ny tapany avaratra sy ny atsinanan’ ny Nosy. Manoloana ireo, nanatanteraka asa vonjimaika amin’ny RN6 ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy, ny DRTP Sofia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy […]
Madagasikara : hanondrana tantely 18 t isan-taona
Manana fiaraha-miasa izay ahafahana manondrana tantely hatrany amin’ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra nasionaly. Laharam-pahamehana ao anatin’ny tetikasa « FFF » sy ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra ary ny FAO ny seha-pihariana tantely. Misy fifaninana handraisana mpandraharaha mpiompy tantely ao amin’ny vovonam-pikambanana miisa valo mandrafitra ny Tranoben’ny tantsaha, hahafahana mamolavola azy […]
Trophée du jeune entrepreneur : hahazoana famatsiam-bola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar
Famatsiam-bola sy fampindramam-bola averina tsy misy zana-bola hatrany amin’ny 100 tapitrisa Ar no omen’ny BNI Madagascar ho an’ny mpandraharaha mendrika ny fifaninanana “Trophée du jeune entrepreneur” 2024. Fampidramam-bola manomboka ny 50 tapitrisa Ar hatramin’ny 100 tapitrisa Ar. Io no tolotra goavana omen’ny BNI Madagascar ho an’ny mpandraharaha voafantina hibata ny […]




