Tonga omaly tamin’ny 9 ora maraina miantsona ao Toamasina mandritra ny telo andro ny sambo japoney “M/V Nippon Marru”. Sambo lehibe mitondra mpizahatany japoney miisa 259 sy mpiasa 194, misahana ny fampandehanana ny sambo sy mikarakara ireo mpandeha. Mampiavaka ity kaompania iray ity dia ny tsy faneken’ny kaomandin’ny sambo ny […]
Toe-karena
Mitohy ny fidangan’ny vidin-tsakafo: tafakatra 5.000 Ar ny kilaon’ny siramamy, 18.000 Ar ny kilaon’ny hena
Miantraika any amin’ny fiainana andavanandro ny halafosan’ny vidin-javatra. Ankoatra ny vidim-bary, misondrotra koa ny vidin’ny siramamy, ny hena, ny lafarinina ankehitriny. Vao mainka midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny sakafo amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao. Raha efa mihoatra ny 3.000 Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, mananontanona ny […]
Eran-tany
Matetika ankehitriny ny fahatapahan-jiro any Kiev hatramin’ny nisian’ny ady Ukraine. Maharitra fotoana lava ny fahatapahan’ny herinaratra, indrindra hatramin’ny fandarohan’ ny Rosianina ireo fotodrafitrasa any an-toerana. Ao renivohitra Kiev, efa matetika izao ny fahatapahan’ny herinaratra, ary manomboka zatra izany ny mponina. Efa manomboka zatra ny tsy fisian’ny herinaratra ny mponina, mihena […]
Madagasikara: vitsy ny olona am-perinasa
Mahazo vahana ny tsy an’asa manerana ny Nosy, mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny olona tokony hiasa, araka ny tombantomban’ny olona iray ao amin’ny minisiteran’ny Asa. Maivana dia maivana ny tahan’olona am-perinasa, 3 % hatramin’ny 4 % ny tanora, ary 1,5 % izany manerana ny faritra. Nanambara ny ao amin’ny […]
Vidim-bary: « Hampiharina amin’ireo mpanararaotra ny sazy »
Handray ny andraikitra tandrify azy ny minisitera misahana ny varotra sy ny Fanjifana. «Ny fandikan-dalàna na fanafenana entam-barotra, toy ny vary dia hiharan’ny sazy henjana. Eo koa ny sazy amin’ny maha mpivarotra azy», hoy ny tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC), Razanakoto Isidore, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny […]