Hampihena ny fanafaran’i Madagasikara simenitra ny Alpha Ciment S.A ary hamokatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina isan-taona. Manomboka izao, hitondra ny anarana Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar. Novidin’ny vondrona maorisianina Gamma Civic LTD, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, Cemendo Gemiland, avy any Indonezia, ity ozinina mpanao simenitra eto Madagasikara ity. […]
Toe-karena
Fitsaboana Mercy Ships : natsahatra aloha ny fisoratana anarana
Natsahatra aloha ny fandraisana ny anaran’ ny olona te hisitraka ny fandidiana ao amin’ny sambo Mercy Ships, any Toamasina, 12 andro taorian’ny nahatongavany. Efa aman-jatony maro isan’andro ny olona mivezivezy eny amin’ny hopitaly manara-penitra, raha ny zava-misy. Mihevitra ny hisoratra anarana ahafahana misitraka fitsaboana avokoa ireo olona ireo. Hatramin’izao, mbola […]
Ora-nikija tao Toamasina : olona iray namoy ny ainy
Raim-pianakaviana iray no natelin’ny reniranon’Ivoloina efa ho telo andro izay, raha niampita nandeha an-tongotra teo Sahandahatra, distrikan’i Toamasina II, ny sabotsy 10 febroary tolakandro. Mbola tsy hita popoka izy hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. Ny alatsinainy maraina hatramin’ny omaly kosa, rotsakorana tsy an-kiato no hita tao Toamasina […]
Fampiroboroboana ny indostria: Liana hampiasa vola eto amintsika i Egipta
Liana ny hampiasa vola eto Madagasikara ny egiptianina amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nihaona tamin’ny minisitra Razafindravahy Edgard ny ambasadaorin’i Egipta, Rabab Abdelhadi, ny alakamisy teo. Voaresaka manokana ny fomba fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nilaza ny ambasadaron’i Egipta fa efa nifanakalo hevitra tamin’ny sehatra tsy mianakina izy hatramin’ny nahatongavany teto Madagasikara […]
Taninketsa indostrialy-Manjakandriana: napetraka ny milina hanodinana tantely
Tanjona apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony hanampiana ny tantsaha sy ny famokarana. Indrindra hampihena ny fanafaran’i Madagasikara entana avy any ivelany. Afaka manodina tantely 100 kg isan’ ora ny taninketsa indostrialy napetraka ao Sambaina Manjakandriana, ny zoma teo. Ankoatra ny tantely voadio sy ara- pahasalamana, hamokatra […]




