Niakatra 3% ny tahan’ny mpandeha fiaramanidina nandritra ny volana desambra 2023, raha oharina tamin’ny volana novambra lasa teo. Manodidina ny 97 000 ny salanisa voaangona ka ny 51% nandray ny sidina mampifandray an’i Madagasikara amin’ireo firenena manodidina. 28% kosa nandray ny sidina anatiny raha toa ka sidina iraisam-pirenena kosa ny […]
Toe-karena
Mandritra ny taona 2024: hiroborobo ny toekaren’ i Madagasikara
Handroso ny sehatry ny toekaren’i Madagasikara ho an’ity taona ity, taorian’ireo ezaka natao teo aloha sy ho an’ny vina napetraka manaraka. Manome vahana ho an’ny fampandrosoana ny fivoaran’ny marefo maneran-tany. Hihatsara ny tontolo ara-toekaren’i Madagasikara mandritra ity taona ity raha ny vinavina nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hiroborobo ireo orinasa […]
Fanohanana ny mpamboly: 625 516 kg ny masomboly vary nozaraina
Nahatratra 625 516 kilao ny fitambaran’ny masomboly vary nozaraina ho an’ny tantsaha miisa 56 516 manerana ny Nosy, ny volana novambra 2023 hatramin’ny febroary 2024 izao. Nilanja 111 726 kilao koa ny masomboly soja notsinjaraina, raha 260 821 kilao ny voanjo. Manampy ireo ny zezika organika milanja 5 479 740 […]
Banky iraisam-pirenena: Vao mainka hahantra ny ampahatelon’ ny mponina amin’ity 2024 ity
Navoitran’ny tale jeneralin’ny Banky iraisam- pirenena, Rtoa Anna Bjerde, fa tratry ny hanoanana ny 60%-n’ny vehivavy sy ny ankizivavy mandritra ity taona 2024 ity. Tsy mifandanja ny fahazoan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny tsenan’ny asa, ka mila arenina. Naneho hevitra ny tale jeneraly, DG-n’ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena […]
Fanampiana japoney: fitaovana fanaovan- dalana ho an’ny MTP
Ankoatra ny fitokanana ny tetezan’i Mangoro Moramanga vaovao, ny 9 febroary teo, nanolotra fiarabe sy milina fanamboaran-dalana ho an’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ihany koa ny fanjakana japoney. Nandray ireo fanomezana ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny masoivohon’i Japana, […]




