Namoaka fanambarana ny Banky Iraisam-pirenena (BM), fa nahery vaika ny fahantrana tamin’ny taona 2022 teo . Nanomboka tamin’ny nisian’ny valan’aretina Covid-19 , very momoka ny ezaka sy ny paikady samihafa niadiana tamin’ny fahantrana tato anatin’ny am-polon-taona mahery. Tsy mifandanja ny fanarenana ny toekarena sy sosialy, taorian’ny Covid eo amin’ny firenena […]
Toe-karena
Angovo azo havaozina : sady nohasarotina no mavesatra ny dingana arahina
Milaza ny filoham-pirenena fa hampirisihina ny mpandraharaha eto an-toerana hisehatra amin’ny famokarana na fandraharahana amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Toa mifanipaka amin’ izany anefa ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Angovo, manasarotra ny dingana arahina. Namoaka didim-panjakana (lah. 26766/2022) ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, ny 10 oktobra 2022, mikasika ny […]
Fanadinana CEPE : hisokatra ny 23 janoary ny fisoratana anarana
Hiverina an-dakilasy ny alatsinainy ho avy izao, hanohy ny taom-pianarana anatin’ny roa volana fahatelo, ny mpianatra amin’ny ambaratonga telo eto Madagasikara. Hifarana ny 24 febroary izany izay ialohavan’ny Andron’ny sekoly, ny 22 ka hatramin’ny 24 febroary. Mitsahatra ny fampianarana ny 25 febroary ka hatramin’ny 5 marsa. Miatrika ny roa volana […]
Covid-19: namono olona roa tanatin’ny herinandro
Mbola misy olona 67 mararin’ny Covid-19 eto Madagasikara, raha ny salanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo. Olona roa no namoy ny ainy ary olona roa hafa mbola marary mafy miady amin’ny fahafatesana. Tao anatin’ny herinandron’ny 24 ka hatramin’ny 30 desambra dia olona 15 vaovao no nahitana ny tsimokaretina coronavirus. […]
Fisotroan-dronono : hanomboka amin’ny herinandro ny fizarana
Efa nivoaka ny tetiandro fandraisana ny fisotroan-drononon’ireo zokiolona misitraka izany ho amin’ity volana janoary ity.Voakasiky ny tetiandro ireo mandray eny amin’ny Perceptions Principales, ny Trésorerie Municipale d’Antananarivo (TMA) ny Trésorerie ministérielle chargée de la fonction publique (TMINFOP) ary ny trésorerie principale inter-communale (TPIC). Hanomboka handray ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona […]