Notontosaina ny 18 oktobra 2022 ny fifidianana ny birao vaovao hitarika ny Sendika iraisan’ny mpiasa ao amin’ny statistika na Saps. Natao omaly teny amin’ny Instat eo Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, Ratovoniony Njara sy vaovao, Randriambelomahenina Noahery Tahiana. Nambaran’ny filoha teo aloha fa be ny vita nandritra […]
Toe-karena
Letisia : 13.800 taonina ny letisia niondrana
Niantsona teto Toamasina, nandritra ny efatra andro ny sambo Baltic Klipper, nitondra ny letisia haondrana any ivelany. Niainga ny 25 novambra ity sambo ity, tamin’ny 4 ora maraina, nitondra letisia 8.400 taonina, hitodi-doha any Eoropa. Nigadona indray tamin’ny 6 ora maraina ny sambo faharoa, Geest Line, mahazaka letisia, 5.400 taonina, […]
CT Motors : manampy amin’ny fampananan’asa
Tao anatin’ny enin-taona namarotana ny Bajaj, nisafidy ny hanamora ny fisitrahana ity fitaovam-pitanterana ity ho an’ny tanora maniry hanana asa ny orinasa CT Motors. Nisantatra izany ny tao Toamasina. “Afaka mandoa 1 tapitrisa ariary ireo te hisitraka ary manefa tsikelikely ny fanampiny”, hoy ny talen’ny fitsinjarana eo anivon’ny CT Motors, […]
“Vary evoka”: Tanjon’ny vehivavy mpamokatra ny hanondrana any ivelany
Natao teto Antananarivo, omaly 25 novambra, ny loabary an-dasy mikasika ny vary nohatsaraina “vary evoka” (riz étuvé) niarahana tamin’ny vehivavy mpamokatra eto amin’ny Nosy. Fotoana nizarana traikefa, nitanisana ny olana, ary indrindra ny vahaolana, hampitomboana ny voka-bary sy ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Nikarakara ny fihaonana ny Africa Rice, tarihin’ny Dr. Mujawamarya […]
Foaran’Atsimo Atsinanana: hiantsoana ny mpampiasa vola
Hotontosaina manomboka anio 25 novambra ka hatramin’ny 27 novambra 2022 ny foara ara-toekarena ny faritra Atsimo Atsinanana, any Farafangana. Nanazava ny atao rehetra mandritra io fotoana io ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Atoa Rajaobelina Gérard sy Rtoa Razafitianamalala Muriel, filohan’ny EFOI* Atsimo Atsinanana. Tanjona ny fampahafantarana ny vokatra misy any amin’ […]