Hampitomboina ny famokarana apemba sy voanjo ary bajiry eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tetikasa “Apemba ». Hisy ny fikarohana manokana hijerena ny fanatanterahana izany sy ho an’ny fanodinam-bokatra ho tombontsoan’ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governementa amerikanina “Feed the future” ny tetikasa “Agricultural Project for enhancing Sorghum, Milet and Peanuts business Activity […]
Toe-karena
Madagasikara : nitombo 65% ny mpizahatany
Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 65% ny taham-piakaran’ny fahatongavan’ny mpizahatany ny taona 2023. “Efa manakaiky ny tamin’ny taona 2019, mialoha ny covid-19 ny antontanisa, noho ny ezaka nataon’ireo mpisehatra sy ny mpandraharaha samihafa ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany”, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du tourisme […]
Hampiasaina ny niomerika : ho vita ao anatin’ny adiny 3 ny fikarakaran’ny ladoany
Hitondra fiovana goavana ny eny amin’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana, mahakasika ny fanafarana na fanondranana entana any ivelany. Nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DGD), Lainkana Zafivanona, omaly, fa miisa 31 ny tetikasa entina hanavaozana ny fitantanana ao amin’ny ladoany, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) maro iraisam-pirenena, maherin’ny 20, efa nanomboka […]
75 taona niorenana : nahazo ny mari-pahalalana ISO 9001 ny tranopirinty Niag
Tsy mitsahatra mivoatra ny orinasa tranopirinty Niag. Dingana vaovao hiatrehany ny hoavy ny nahazoana ny mari-pamantarana ISO 9001-2015, mifanandrify amin’ny faha-75 taona niorenany. Anisan’ny sangany eto Madagasikara ny orinasa Tranopirinty vaovao sy ny sehatry ny grafika (Niag). Nanangana azy ny taona 1949, Andriantsitohaina Charles. Tsy nitsahatra nivoatra ity orinasa malagasy […]
Tetikasa « PTASO »: hitsangana ny fotodrafitrasa maro ao Atsimo Andrefana
Hanangana fotodrafitrasa maro toy ny trano fitehirizam-bokatra miisa efatra, fanamboaran-dalana any ambanivohitra mirefy 50km, fanarenana ny biraon’ny Fitantanam-paritry ny indostria ary fananganana tsena roa ho an’ny vokatry ny fiompiana PTASO. Ireo rehetra ireo no entina manatanteraka ny tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo […]




