Toe-karena

Cenhsoa: hisy ivontoerana ho an’ny zaza

Hanana ivontoerana ma­nokana misahana ny fandidiana fo, sokafana ho an’ny zaza, ny “Centre Hospitalier de Soavinan­dri­ana”, Cenhsoa, hanomboka ny volana avrily ho avy izao raha toa ka tsy misy ny fiovana. Hisitraka fitsabona sahaza azy ireo zaza manana aretim-po kanefa sahirana tsy manana fahahafana manao Eva­san. “ Tontosa, vokatry ny […]

Fampandrosoana : manan-danja ny harena an-kibon’ny tany

Manamafy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ao anatin’ny fandaharanasa ho an’ny fampindramam-bola nitarina (Fec), andiany fahefatra, fa hanatsara ny fampidiran-ketra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny fanavaozana ny lalàna mifehy azy. Ahafahana manao tetikasa maro, hananganana fotodrafitrasa sy tetikasa sosialy maro izany. Hampiakatra ny vola miditra amin’ny fanjakana ny famerenana ny […]

Fampiroboroboana ny indostria : hiara-hiasa ny minisitera sy ny ONUDI

Dingana iray fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ny rafitry ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) amin’ ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ity sehatra ity eto Madagasikara, nandritra ny fihaonan’ny roa […]

Ladoany : hampihena ny fandaniana ny «Smart scanning»

Fiovana lehibe ho an’ny sehatry ny fadintseranana ny tetikasa « Smart scanning ». Fitaovam-pitiliana hampiasana ny teknolojia niomerika, hampihenana ny fotoana sy ny fandaniana ho an’ny mpandraharaha. Natao tany Toamasina, omaly, ny fankakazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana (JDI). Anisan’ny nanamarihina izany ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana avo lenta ao […]

Tao anatin’ny 10 volana : nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarana

Nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarantsika tao anatin’ ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 599 603t ny taona 2022, nandritra io vanim-po­toana io. Izany hoe, fihenana manodidina ny 229 093t, ara­ka ny tatitra navoakan’ny mpa­nara-maso ny vary (ODR). Anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fiakaran’ny […]