Nolanian’ireo loholona tsy nasiam-panintsiana, omaly, ny volavolan-dalàna 003-2021, mikasika ny fahasalamana natolotry ny solombavambahoaka ,Voninahitsy Jean Eugène. Isan’ny voarakitra ao ny asan’ny tobim- panafody (dépôts de médicaments). Nasiam-panovana amin’ny alalan’ity volavolan-dalàna ity ny andalana faha-4 sy faha-5 ary faha-6, ao amin’ny andininy faha-202. Milaza mantsy ireo lalàna ireo ny tokony hialan’ny […]
Toe-karena
Tranoben’ny tantsaha mpamokatra : antenaina ny fanohanan’ny minisitera masomboly sy fitaovana
Nanao ny fivoriambeny ny mpikambana ao anatin’ny filankevim-pitantanan’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra (TTM), ny 12 sy ny 13 desambra 2022 teo, teto Antananarivo. Tafditra tao anatin’ny lahadinika noresahana ny mikasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny mahazo ny tantsaha mpamokatra. Isan’izany ny firotsahan’ny havandra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny […]
Tetikasa PPAB 3 : hanatsara ny toeram-ponenana tsizarizary
Miaina anaty trano fonenana tsizarizary ny fokontany miisa 134 amin’ireo 192 eto Antananarivo Renivohitra. Misy ny Fandaharanasa fanamafisana ny toeram-ponenana tsizarizary andiany fahatelo (PPAB 3), natao tamin’ny fokontany efatra, ny eny Manarintsoa afovoany sy Atsinanana, Manarintsoa Anatihazo ary Andavamamba Anatihazo I. Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny PPAB 3. Nanatontosa […]
Fampandrosoana : tombanana ny mahakasika ny fiainam-bahoaka
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, ny politika ankapobeny momba ny fampandrosoana nosoritan’ny governemanta hanaovana tombana. Manohana izany tombanezaka izany ny Unicef, Pnud, Clear*, ka nanofana mpanao tombana 51 avy amina sehatra samihafa, izay notolorana mari-pankasitrahana noho ny fahavitana fiofanana. Mari-pankasitrahana ankatoavina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra natao […]
Tetikasa PAAEP : olona 3.423.000 hahazo rano fisotro
Nisokatra, omaly, ny atrikasa mikasika ny tetikasa Fanatsarana ny rano fisotro madio (PAAEP). Nitarika izany ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, notronin’ny tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), miasa eto amintsika, Rtoa Uwanyiligira Marie-Chantal. Teo koa ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy ny avy any amin’ny farita. Tohin’ny […]