Anisan’ny lemaka mamokatra vary 6 t/ha ny lemaka Bas Mangoky. Ankehitriny, mamboly indroa isan-taona ny mponina any an-toerana noho izy ity mamoka-bary betsaka. Vokatra azo avy amin’ ny fahavitan’ny fotodrafitrasam-pamokarana na ny “prise” ao Bevoay, lehibe indrindra eto Madagasikara ary tsara indrindra eto Afrika. Nitarin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana […]
Toe-karena
Seranam-piaramanidin’i Toliara : afaka mandray sidina iraisam-pirenena
Tratra ny tanjona! Anisan’ireo seranam-piaramanidina afaka mandray sidina iraisam-pirenana i Toliara Ankoronga. Nankatoavin’ny Aviation Civile eto Madagasikara (ACM) sy ny iraisam-pirenena (OACI) ireo dingana rehetra voalazan’ny fenitra mifehy ny fifamoivoizana ana habakabaka. Nahazo ny taratasy manamarina ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena i Toliara, ny zoma teo. Natsangan’ny Aéroport de Madagascar (ADEMA) […]
Angovo azo avy amin’ny masoandro : hamokatra herinaratra 6 000Mwh isan-taona
Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny Malagasy ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro napetraka ao Toliara. Miavaka sady matanjaka izy ary handrakotra herinaratra amina kaominina maro any an-toerana. Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo avaozina eto Madagasikara. Notokanana ny sabotsy teo ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, […]
Taninketsa indostrialy : milina efatra napetraka ao Toliara
Mahavelombolo ny any ifotony ny fisiana ozinina hanodinana ireo vokatra any aminy. Milina efatra no napetraka ao Toliara hisahana izany. Tonga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny tetikasa “One district One Factory” (ODOF). Napetraka ao Toliara ny milina efatra mpanodim-bokatra hanampiana ireo vahoaka any an-toerana. Hanodina ireo vokatra mampalaza ny faritra toy […]
Fandaharanasa « Défis » : tohana ho an’ny fampandrosoana ny tantsaha
Hampivoarana ny fiainan’ny tantsaha sy hahazoany fidiram-bola maharitra ho enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo no apetraky ny fandaharanasa « défis », ho fampandrosoana ny fambolena sy ny fiainana isan-tokantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Miasa amina faritra valo any atsimon’ny Nosy ity fandaharanasa ity ho fanohanana ny fiainam-pianakaviana. Miainga ao amina […]




