Toe-karena

Faritra Vakinankaratra : nahatratra 561 000 t ny vary vokatra ny taona 2022

Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) any amin’ny faritra Vakinankaratra, nanomboka ny taona 2019, 2020, 2021 ary ny 2022. Nahatratra 30 ha ny velaran-tany vaovao nohajariana ary 857 ha ny nasiam-panavaozana. Tsy nitsaha-nitombo koa ny voka-bary satria nilan­ja 352 959 t ny taona 2019, niakatra 453 651 t ny […]

Nosy-Be: mpizahatany 39 000 tonga tao anatin’ny telo volana

Mihamahazo vahana ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be amin’izao fotoana izao. “Tao anatin’ny telo vo­lana, nahatratra 39 779 ireo mpizahatany tonga ao an-toerana nanomboka ny volana mey ka hatramin’ny volana jolay teo”, hoy ny tale mpanatanteraka ny ORTN Nosy-Be, Randrianjafinirina Gerardo. Tsara ny tsena ho an’ireo mpivarotra kojakoja fahatsiarovana sy […]

Fanamboarana fotodrafitrasa: hasiana fitarihan-drano ao Betroka

Anisan’ny misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa toa ny tambazotra fitarihan-drano ao Andriabe, kaominina Mahasoa atsinanana, distrika Betroka. “Mbola ambany ny tahan’ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny tany trandra­hana. Zara raha misy 10ha ny velaran-tany azo trandrahana ary 1,5t/ha ny taham-bokatra azo amin’izany ka manome 15t”, hoy […]

Fanondranana dipoavatra mena: sarotra ny famokarana ny vokatra tsara kalitao

Manan-karena vokatra fanondrana i Madagasikara, firenena anisan’ny mandray ny tsiperipery malagasy ny ao Azia sy Eoropa. Tsara kalitao ny dipoavatra mena vokarina eto amintsika saingy nihena ny fanafarana izany taorian’ny krizin’ny Covid-19. Mpamokatra dipoavatra mena na tsiperifery (baie rose) tsara kalitao indrindra eto Madagasikara ny faritra Bongolava. Mamokatra betsaka ihany […]