Tsy mety fongana ny fangalarana an-tsokosoko sokatra. Miisa 24 ny sokatra (sokake) lehibe hita tany amin’ny tanànan’i Magnary, fokontany Behavoha, kaominina Itampolo, ao amin’ny distrika Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny alakamisy 3 aogositra teo. Tsy nisy tratra ireo mpanao trafika. Tovolahy mpiandry omby teny an-tsaha no nahita ireo sokake ireo […]
Toe-karena
Fiaraha-miasa amin’i Rwanda: hohamoraina ny fampiasam-bolan’ny firenena roa tonta
Niatrika ny “Business forum Madagascar – Rwanda” sy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Ao anatin’izany ny momba ny fampiasam-bola. Maherin’ny 40 ireo mpandraharaha sy orinasa nandray anjara amin’izany, ahitana ny Gem, Fivmpama, Sim, Symabio, Goticom, GFEM. Eo koa ny CTM sy ny […]
Tsy tokony hisy intsony ny delestazy: mihoatra ny filàna ny herinjiro vokarina eto Antananarivo
Efa mihoatra amin’ny filàna herinaratra ny vokatra ato amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) raha oharina amin’ny filàn’ny mpanjifa. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fanapahana herinjiro rehefa misy ny fikojakojana ny fitaovana. Tratra ny fe-potoana telo herinandro nomen’ny fanjakana, hanafoanana ny delestazy lavareny eto Antananarivo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny tomponandraikitrin’ny […]
Maromandia Analalava : fambolen-kazo honko miisa 80 000
Manana velarana ala honko midadasika indrindra eto Madagasikara ny faritra Sofia. Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy, tany amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny alakamisy 3 aogositra teo, ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny rohivoahary amin’ny ala honko. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), […]
Fihariana : sambo haingam-pandeha 4 ho an’ny mpanjono
Nanolotra sambokely haingam-pandeha miisa efatra ho an’ny fikambanan’ny mpanjono madinika any amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Vina Marie-Orléa, ny 3 aogositra teo. Natao hanatsarana ny fiharian’ireo mpanjono ny nanomezana izao fitaovana izao, sady koa ahafahan’izy ireo manara-maso […]




