Toe-karena

Fifanakalozana ara-barotra : hiara-hiasa i Madagasikara sy i Kaomoro

Samy afa-po na ny mpandray anjara na ireo mpitsidika nandritra ny hetsika “salon international de l’artisanat”, natao tatsy amin’ny Nosy Kao­moro, ny 6 ka hatramin’ny 9 jolay teo. Anisan’ny nandray anjara i Ma­da­gasikara ka nahaliana ny te­ratany vahiny ny asa tanana ma­lagasy. Tapaka taorian’ny hetsika fa hisy fifanakalozana ara-barotra eo […]

Ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna: ampiasaina amin’ny tontolo iainana ny teknolojia niomerika

Miara-miasa ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny ao amin’ny Fitsarana ary ny Bianco. Voakasik’izany ny ady amin’ny kolikoly, ny trafikana harena voajanahary ary ny famotsiam-bola. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny an­ton­tam-baovao entina hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna momba ny tontolo iainana. Voarakitra […]

« Tombola Tafabe Orange » : nahazo fiara vaovao Ratompoarisoa Antoinette

Anisan’ny hetsika ankalazana ny faha-20 taona ny Orange Madagasikara ny lalao «Tombola Tafabe». Na­tolotra, omaly, ireo lokabe ka azon -dRatompoarisoa Antoi­nette ny fiara vaovao Renault Duster. Faharoa, moto scooter vaovao, lasan-dRasolon­dray Roger avy any Ambilobe. Fahatelo, lelavola (Orange money) mitentina 5 tapitrisa Ar ho an-dRalalaoharison José Marino, monina eto Anta­na­narivo. […]

Fifaninanana robotika: tafakatra famaranana i Madagasikara

Sambany i Madagasikara no tafakatra hanao ny dingan’ny famaranana fifaninanana robotika « Panafrican robotics competition » (Parc engineers league), laharana faharoa taorian’i Nizeria. Famaranana hatao any Sénégal, ny 23-31 jolay 2023. Manohana ny ekipa malagasy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fifandraisan-davitra, ny fampiroboroboana ny niomerika ary ny paositra (MNDPT). Homen-danja […]