Notokanana ny 22 jolay teo ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Antsenavolo, distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Nahatanteraka azy ny tetikasa “WeLight”, izay tanàna faha-55 nametrahana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Nosy. Vao nahazo famatsiam-bola mitentina 19 tapitrsia euros avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola […]
Toe-karena
Taxi-be: hiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana
Mitohy ny fidangan’ny vidim-piainana. Iharan’izany ny fitaterana izay mampiakatra ny saran-dalany koa ankehitriny. Mizaka ny vokany ny mpanjifa tsy misy mpiaro. Nanaraka ihany koa ! Nampiakatra 5% ny saran-dalany ny kaoperativa mankany amin’ny faritra, nanomboka ny sabotsy 22 jolay teo. Tsy niandry ela, fa nanara-davahana koa ny taxi-be eto an-drenivohitra, mivondrona […]
Ady amin’ny andiam-balala : velaran-tany 31 600 ha voatondraka fanafody
Fotoana manomboka mampirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mirefy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, […]
Ranomasimbe Indiana : fiatrehana ny loto an-dranomasina
Mikarakara hetsika miaraka ny Foibem-paritra mpandrindra (RCOC) sy ny Foibem-paritra iombonan’ny sampandraharaham-baovao an-dranomasina (RMIFC), ahitana ny hery ara-tafika misahana ny fiarovana an-dranomasina any amin’ny ranomasimbe Indiana, tapany andrefana. Nanomboka ny taona 2018 ny nisiany, ary hisy ny fanazarantena manoloana ny fahalotoan’ny ranomasina, ny 25 hatramin’ny 27 jolay 2023 izao any […]
Jirama : Teratany vahiny no hanarina ny fitantanana
Manodidina ny 20 ireo nandrotsaka antontan-taratasy hitantana ny fanarenana ny Jirama. Taorian’ny dingana, masontsivana maro, roa sisa no hisafidianan’ny fanjakana malagasy, izay teratany vahiny daholo. Tsy mora ny fanarenana ! Mahatratra 1 400 miliara Ar ny fatiantoky ny Jirama. Araka ny toro-mariky ny Banky Iraisam-pirenena, tsy maintsy atao ny fiantsoana eto […]




