Mamatsy vola ireo mpitantana ny Faritra arovana (AP) miisa 125 manerana ny Nosy ny Fikambanana ho an’ny Faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manana mpiara-miombon’antoka izy amin’izany, ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Anisan’izany ny « Conservation internationale », ny WWF, ny KFW, ny AFD, ny Banky iraisam-pirenena, sns. […]
Toe-karena
Fialantsasatra lehibe: hisondrotra 5% ny saran-dalan’ ny taksiborosy amin’ny 22 jolay
Hitombo ny fandanian’ny mpandeha mankany amin’ny faritra, amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Hisondrotra ny saran-dalan’ny taksiborosy, manomboka amin’ny sabotsy 22 jolay izao. Miandry ny fahavitan’ny Bakalorea ! Hitombo ny mpandeha amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao, indrindra aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana. Manararaotra izany ny ankamaroan’ny mpitatitra, ka fantatra fa hampiakatra 5% ny saran-dalana […]
« Tetikasa PA2R » : tantsaha 28 000 tokantrano hahazo tombontsoa
Hanatsarana ny fomba fambolena nentim-paharazana amin’ny fampitomboana ny karazana voly atao sy hampiroborobo ny teknika agroekolojika ary ny fahafaha-miatrik’ireo tantsaha ny fiovan’ny toetr’andro. Ireo ny tanjona apetraky ny tetikasa «Projet d’appui aux relèvements et de résilience des 3 régions du Sud» (PA2R). Hiasa amina faritra telo any atsimon’ny Nosy ny […]
Ambohitromby Ankazobe : tafapetraka ny herinaratra avy amin’ny masoandro
Manampy amin’ny famatsiana herinaratra eny ifotony ny Antenimierandoholona amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy. Notokanana ny sabotsy 15 jolay teo ny foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, eny Ambohitromby, distrika Ankazobe. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, ny […]
« Festival des baleines » : mpizahatany 2 500 handrasana ho tonga
Sehatra isan’ny mampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha ny “festival des baleines”. Mampifamatotra ny toekarena sy ny kolontsaina ny hetsika noho izy misintona mpizahatany sy mampidi-bola ho an’ny mponina any an-toerana. Anisan’ny mampalaza ny Nosy Boraha ny « festival des baleines ». Sehatra mampiray ny kolontsaina sy ny toekarena izy ity […]




