Toe-karena

Fifandraisan-davitra: feno 12 tapitrisa ny mpanjifan’ny Telma

Tsy nolavovam-potsiny ny fotoana. Nampahafantatra ny fahafenoan’ny mpanjifa ao aminy ho 12 tapitrisa ny Telma, omaly. Notolorany fanomezana ilay tsara vintana nameo io isa io. Feno 12 tapitrisa, ny alakamisy 13 jolay 2023, ny mpanjifan’ny Telma. Araka izany, nisy ny hetsika ho fampahafantarana izany, omaly, teny amin’ny Campus Telma Andraharo. […]

Toliara II : mitaky fampandrosoana ny mponina any Tsianisiha

Miha mitotongana ny fari-piainan’ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Notaterin’ny olobe any an-toerana, Ravahatrarivo Frankel, fa tsy afaka mamboly ny tantsaha satria tsy misy rano ny tany ambolena. Nisy ny toky nomen’ny orinasa Base Toliara fa hanohana ity kaominina ity. Anisan’izany ny namindrana ny fasana, izay voakasiky […]

Raharaha Cnaps : mitaky ny hanendrena ny DG ny mpampiasa

Miahiahy ny zava-miseho eo anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny mpampiasa samihafa. Amin’ny alalan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem). Nitaky ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ny hanendrena haingana ny tale jeneraly vaovaon’ny Cnaps. “Miteraka olana amin’ny fanatanterahana asa ny […]

Ankoatra ny lalam-pirenena : hamboarina ny lalana tena ratsy eto an-drenivohitra

Hanomboka ny fanarenana ny lalan-dratsy eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny laharam-pahamehana toy izany koa ny lalam-pirenena faharoa, mankany Toamasina. Harenina ny ankamaroan’ireo lalana tena ra­tsy, taorian’ny fo­toam–pa­ha­varatra. Manampy ny lalam-pirenena, voakasik’izany ma­nokana ny eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe asa vonjitaitra, satria tena ilaina sady maika ny hanaovana […]

Tetikasa Ambatovy : kaominina 14 nahazo Drafi-pampandrosoana

Nanampy tamin’ny fandrafetana ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) miisa 14 ny tetikasa Amba­tovy. Natolotry ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Phillipe Beaulne, teny amin’ny Lapan’ny faritra Atsi­nanana, ny 29 jona teo izany. Misitraka ity PCD ity ny kaominina miisa 14, mandalo ny fantsombe miainga any Ambatovy Mora­manga hatrany […]