Toe-karena

avy amin’ny tohodrano : An’arivony « mégawatts » ny herinaratra azo

Ankalazaina isaky ny 22 oktobra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (JME). Ho an’i Madagasikara, tany Nosy Be Hell Ville no nanatanterahina azy, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, ny 20 oktobra teo. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe, « Angovo madio sy maharitra ho an’ny rehetra ». Mifandray […]

Tombontsoan’ny besinimaro : miasa foana ny ladoany

Voafehin’ny lalàna tsy hitsabaka sy hanana fiandaniana politika ary manana ny fitsipika mifehy ny asa ny mpiasam-panjakana. Voakasik’izany ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana. Efa nampitandrina ny mpiasa ny ao amin’ny fitantanana foibe mba tsy ho voasariky ny adilahy politika. Nambarany koa fa, «tsy ara-dalàna ny fanambaran’ny fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa SSM, […]

Fananganana trano : mbola latsaka ny 5% ireo manatona mpahay mari-trano

Ankavitsiana ny olona mahafantatra ny andraikitr’ireo matihanina amin’ny mari-trano eto Madagasikara. Miantoka ny kalitaon’ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina. Vitsy mpahafantatra ny andraikitr’ireo matihanina amin’ny mari-trano (architectes) eto amintsika. Manan-danja ny asan’izy ireny eo amin’ny sehatry ny fananganana trano. Mamakafaka sy mandalina ny tetikasa izy ireo […]

Fadintseranana : misokatra daholo ny birao manerana ny Nosy

Namoaka fanambarana ny fitantanana foibe ny fadintseranana (DGD) eto Madagasi­kara, omaly 25 oktobra. Ampa­hafantarina ny besinimaro sady manamafy fa misokatra tsy ankiato amin’ny andro sy ora fiasana mahazatra ny birao rehetra manerana ny Nosy. Tsiahivina fa nisy ny fe-potoana nomen’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fadintseranana 72 ora, mitaky hifandinika an-databatra boribory ireo mpanao politika hitady […]

Asa tanana : antoky ny fampiroboroboana ny toekarena

Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanaovana asa tanana isan-karazany. Mamelona tokantrano maro samihafa izy ary manome lanja ny vokatra vita malagasy. Fihariana tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny Malagasy ny asa tanana. Miteraka asa sy mampidi-bola ary mamelona fianakaviana sy tokantrano samihafa izy ary fototra mampiroborobo ny toekaren’ny firenena. Manome lanja ny […]