Toe-karena

Jono tsy ara-dalàna: nahazo sambo haingam-pandeha i Mahajanga

Mahatratra 16 ireo sambo haingam-pandeha ampiasain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hiarovana ny harena an-dranomasina. Hanamafy hatrany ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy voambara ary voafehin-dalàna ny minisitera. Nahazo sambo haingam-pandeha hanampiana ny sambo Atsantsa ny faritra Boeny. Manana tanjaka 115CVx 2 ity Sambo haingam-pandeha ity raha mirefy […]

Sakafo andavanandro : niakatra 200Ar ny kilaon’ny vary

Lany avokoa ny ankamaroan’ny tahirim-barin’ny mpamboly. Ankehitriny, niakatra 100Ar hatramin’ny 200Ar ny vidim-bary eny an-tsena. Tato anatin’ny andro vitsy, nahitam-piakarana ny vidim-bary eny an-tsena raha oharina ny tamin’ny volana jona. Manodidina ny 200Ar ity fiakarana ity ary voakasik’izany avokoa ireo karazam-bary rehetra eny an-tsena. Eny amin’ny tsenan’Analama­hitsy, vidiana 2 700Ar […]

Itasy sy Bongolava : fanadihadiana mialohan’ ny hizarana fahazoan-dalana hitrandraka

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava, ny volana jona teo, ny Vaomiera misahana ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka (PRE) harena an-kibon’ny tany. Nanatanteraka izany ny solontena avy amin’ ny sampandraharaha voaka­sika ao amin’ny minisitera foibe sy ny fitantanana iraisam-paritra Antananarivo (DIRA). Fepetra tsy maintsy raisina mialoha […]

Milina indostrialy : nahazo ny anjarany i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo

Hampiroborobo ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra ary hampiakatra ny toekaren’ny mponina ny taninketsa indostrialy napetraka ao Fenoarivo Atsinanana sy Soanirenana Ivongo. Nisitraka ozinina ary na­hazo milina hoentina mampiroborobo ny vo­katra any an-toerana i Fenoa­rivo Atsinanana sy Soanie­rana Ivongo. Milina fanamainana voankazo ahafahana mitahiry azy tsy ho simba no natolotra ny […]

Nihena ny vokatra : nahatratra 14 390 t ny letisia naondrana

Tapitra tamin’ny 27 janoary 2023 ny taom-piotazana sy ny fanondranana letisia avy eto Madagasikara mankany ivelany. Araka ny antontanisa navoakan’ny Foibe teknika mikasika ny zava-maniry any Toamasina (CTHT), nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taom-pamokarana 2021-2022. Nidina ho 14 390 t ny letisia naondrana tany ivelany ny taona 2022-2023, ka nalefa […]