Toe-karena

FANAMBOARAN-DALANA : mitohy anaty fotoam-pahavaratra

Maro ny ampahan-dalana efa vita eto Antananarivo, fa mbola mitohy koa ny asa, na fahavaratra aza ny andro. Anisan’ny vao vita tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity ny eny amin’ny BOA Ampan­drana, mandalo Bel’Air, hatrany amin’ny Paositra Amba­nidia. Toraka izany koa ny eo amin’ny sampanana Ankatso, Antanimora, Mausolée, hatrany Ampasampito. Anisan’ny ampahan-dalana […]

Laboratoaram-pambolena : fiofanana momba ny ISO 17025

Nanomboka omaly 24 oktobra, teny amin’ny Laboratoaram-pirenena mikasika ny fanadihadiana amin’ny zavamaniry sy ny biby (LNDV) Anosimasina Itaosy, ny atrikasa fiofanana ho an’ireo teknisianin’ny laboratoara momba ny fambolena sy ny sakafo. Voakasik’izany ny vokatra ara-pambolena sy sakafo eto an-toerana azo aondrana any ivelany, voafaritry ny mari-pamantarana «ISO 17025» sy ny […]

Maitsoahitra: tafakatra 3 100 Ar ny kilaon’ ny vary makalioka

Tafiditra tanteraka ao anaty maitsoahitra isika, fotoana mampidangana ny vidim-bary. Ampy kosa anefa ny tahiry eny amin’ireo mpaninjara mivarotra izany avy amin’ny orinasam-panjakana SPM. Misy karazany maro sy azo isafidianana ny vary eny amin’ny mpaninjara. “Tsy tokony hanana ahiahy isika mpanjifa fa misy ny vary”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana […]

Salon international de l’habitat: Maherin’ny 15 000 ireo mpitsidika

Tratra ny tanjona tamin’ny fikarakarana ny « Salon internalational de l’habitat » (SIH) andiany faha-25, natao tetsy amin’ny Forello, expos Tan­jom­bato. Mihoatra ny 15 000 ireo mpitsidika tonga teny an-toerana nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. « Samy afapo na izahay mpikarakara na ireo mpandray anjara. Nahita tombony sy nahita lalam-barotra ary nahalafo […]

Salon de la créativité « Voatra »: haneho ny fivoaran’ny vokatra tao anatin’ny 10 taona

Hanomboka rahampitso ka hatramin’ny sabotsy 28 oktobra izao ny “Salon de la créativité Voatra”, andiany faha-10, atao etsy amin’ny kianja Barea Ma­hamasina. Hetsika hanehoana ny fivoaran’ny vokatra nataon’ireo mpandraharahara tohanan’ ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostrian’Antana­arivo (CCIA). “Tanjona ny hampahafantatra ireo orinasa madinika sy salan­tsalany nahavita nanao zavatra sy nampiroboroboro […]