Mampivondrona mpisehatra maro ao anatin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ny hetsika Zah@geek 2.0 andiany faharoa, ataon’ny orange digital center Madagascar. Nanomboka omaly ka haharitra roa andro, ity hetsika atao etsy amin’ny gara Soarano ity. Tanjona ny hampanana asa ireo tanora misehatra ny niomerika sy ny haitao ara-kajy […]
Toe-karena
Ranaivoarisoa Vonifanja : sambany vehivavy ny tale jeneralin’ny CEM
Aina vao indray no hoentin’ny tale jeneraly vaovaon’ny Caisse d’Epargne Madagasikara. Tanjona ny hahazoan’ny orinasa tombombarotra, ny fitomboan-karena ary maharitra. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny alakamisy 29 jona teo, ny tale jeneraly (DG) hitantana ny Caisse d’Epargne Madagasikara (CEM). Taorian’ny masontsivana samihafa, tinapaka teo anivon’ny filankevi-pitantanana fa Ranaivoarisoa Vonifanja […]
Loka Castel : Malagasy mpandraharaha roa hanao ny famaranana
Nampahafantarina, omaly, ireo Malagasy mpandraharaha, hanatrika ny dingana famaranana, mandray anjara amin’ny loka “John Castel”, miara-miombon’antoka amin’ ny orinasa Star. Nisokatra tamin’ny 23 avrily ny fifaninanana ho an’ny orinasa ara-dalàna. Efa nisokatra herintaona farafahakeliny, tantanin’ ny Malagasy 18 hatramin’ny 45 taona. Miisa 40 tamin’ireo 167 nandrotsaka hifaninana no nahafeno ny […]
KAOPERATIVA : lany ny volavolan-dalàna
Lany teny amin’ny Antenimierandoholona nandritra ny fivoriambe, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Hojerena manaraka ny famoahana ny didy fampiharana, hahafahana misitraka ireo tombontsoa samihafa. Ainga vao sy hitondra fampandrosoana eny ifotony ity lalàna ity. “Raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana isika, miresaka ihany koa fiveloman’ny mponina eny ifotony”, […]
Tontolo iainana: Ilaina ny tamberin’andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina
Manan-danja eo amin’ny famokaran’ny orinasa iray sy ny toekarena ny fiarovana ny tontolo iainana. Adidy miandry azy ireo ny fikolokoloana ny zava-mananaina sy ny rohivoahary. Manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona ny sehatra tsy miankina. Mba hahafahany manitatra sy mampaharitra ny andraikitra sahaniny izany. Antony nahatonga […]




