Toe-karena

Anivorano Antsiranana: ho voavaha afaka 2 volana ny olan’ny rano

Mitsidika any amin’ny faritra Diana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ny faran’ny herinandro teo. Nokarohina ny vaha­olan’ny tsy fahampian-drano. Tsy ampy ny famatsiana rano fisotro ! Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano any Antsiranana. Notsidihin’ny minisitry ny Rano (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ireo fokontany […]

Tsy fampiasana ankizy: hanampy ny minisitera ny OIT

Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny zoma 30 jona teo, ny talen’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny asa, OIT, eto Madagasikara, Seychelles, Maurice, Comores, Coffi Do­minique Agossou. Anisan’ny lohahevitra noresahana ny nankatoavana ny sata vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny fampiasana ny zaza tsy ampy taona. […]

Fandraharahana : natsangana ny CGA eo anivon’ny SIM

Hitodika amin’ny fanampiana torolalana sy hevitra ary lalam-barotra ho an’ireo orinasa madinika vao misondrotra ny ivontoeram-pitantanana (CGA), eo anivon’ny biraon’ny Sendikàn’ny indostria malagasy. Tafatsangana eo anivon’ny biraon’ny Sendikàn’ ny indostria malagasy (SIM) ny ivontoeram-pitantanana ho an’ireo orinasa madinika « Centre de gestion agréé » (CGA). Natao izao, entina hanampiana ireo orinasa madinika […]

Kaominina Maromiandra : manamafy ny fitakiana hisokafan’ny Base ny mponina

Notokanana ny 24 jona teo ny tsena vaovao any amin’ny kaominina Maromiandra, distrika Toliara II. Fotoana iray nihaonan’ny manam-pahe­fana samihafa, toy ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanàna ary ny governora Atsimo Andrefana. Niantefa any amin’ny filoha, Rajoelina Andry, ny fangatahan’ny ben’ ny Tanàna Maromiandra, Edson, hirotsa-kofidiana amin’ ny fifidianana ho filoham-pirenena […]