Anisan’ny firenena manana olana amin’ny seha-pihariana jono i Madagasikara. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny firenen-kafa ny famahana izany. Nanomboka omaly ary hatao mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriana faha-12, « Unité régionale de coordination élargie (URCE) du Plan régional de surveillance des pêches (PRSP) ». Voaresaka amin’izany ny olana […]
Toe-karena
Fifanakalozana ara-barotra: hiara-hiasa i Canada sy i Madagasikara
Tsara ny vokatra nandritra ny hetsika “4ème Mission économique et commerciale » (MECC) tao Canada, ny 8-19 mey lasa teo, izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Taorian’io, mitentina 1.4 tapitrisa dolara ny fangatahana fanafarana entana voarain’ ireo mpandraharaha. Aman-jatony ihany koa ireo mikasa hividy ny vokatra malagasy. Vonona hiara-kiasa amin’ny Malagasy mpandraharaha ny […]
Antenimierandoholona: miisa 20 ny volavolan-dalàna lany
Nifarana ny zoma 30 jona teo ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierandoholona. Nitarika ny fotoana ny filohany (PS), Razafimahefa Herimanana. Miisa 20 ny volavolan-dalàna lany miampy tolo-dalàna iray. Anisan’izany ny volavolan-dalàna mikasika ny fampiasam-bola, ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny mikasika ny kaoperativa, ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny asa iarahana […]
Fandraharana: Tanora 49 nahazo « Titre vert »
Tanora Mpandraharaha avokoa ireo 49 voafantina hisitraka ny tetikasa « Titre vert » eto amin’ny faritra Analamanga. Volana vitsy lasa izay, nisy ny fiantsoana an’ireo maniry hisitraka izany. Nanambaran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana fa mahatratra 150 ireo mpandraharaha hahazo sy hisitraka ny tetikasa, hoy ny loharanom-baovao iray. Betsaka tokoa ireo tanora […]
Huawei Madagascar: manampy ny tanora ho tonga mpandraharaha
Mamolavola tanora ahafantatra ny tontolon’ny asa sy ny haitao ara-kajy mirindra ny Huawei Madagascar. Manana fandaharanasa telo karazana ity orinasa lehibe ity hanampiana azy ireo Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny niomerika ny haitao ara-kajy mirindra. Antony mahatonga ny orinasa Huawei Madagascar mamolavola fandaharanasa mifantoka amin’ny fampiroboroboana ity sehatra ity. Indrindra ho […]




