Toe-karena

fizahantany : mila ampitomboina ny sidina miditra

Anisan’ny nanamarika ny salon International tourism fair Madagascar (ITM) ny fihaonan’ireo mpandraharaha samihafa misehatra amin’ny fizahantany eto amin’ny Nosy. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany tokoa ny hahatratra mpizahatany 1 tapitrisa ho tonga eto Madagasikara, amin’ ny taona 2028. Anisan’ny voa­resaka tamin’izay fa tsy main­tsy hampitomboina avo telo heny ny sidina iraisam-pire­nena isan-kerinandro […]

Tetikasa “Miary Digital” : hampiroborobo ny toekarena sy ny famoronan’asa

Hanampy ny tanora malagasy mpandraharaha sy hanome asa ary hampiroborobo ny fananganana orinasa. Ireo ny tanjon’ny programa “Miary Digital”, ataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra. Sehatra tsy azo ihoarana ao anatin’ny fanatontoloana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Antony nahatonga ny […]

Vokatry ny rivodoza : niakatra ho 300 Ar ny fonosan-tsira

Velon-taraina ny mpanjifa fa niaka-bidy ny sira. Nisy ta­min’ireo tsena sasany aza tsy nahitana izany mihitsy. Anke­hitriny, niakatra ho 300Ar ny fonosana sira vovony amin’ ireo 200grama raha mbola 250Ar izany teo aloha. “Nanomboka tamin’ny alarobia teo ity fiakarana ity”, hoy ny fanaza­van’ny renim-pianakaviana iray. Niakatra ho 500Ar ihany koa […]

Taptap Send-MVola : maimaimpoana ny fandefasana vola

Azo atao, ankehitriny, ny mandefa vola mivantana avy any andafy mankaty Madaga­sikara. Ampiasaina ny « appli­cation Taptap Send” ka mirotsaka mivantana ao amin’ny kaonty MVola. Ahafahana mandefa vola avy any Eoropa, Canada, Emirats Arabo Mi­tambatra ary Etazonia mankany amin’ny firenena maro ny Taptap Send, anisan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola mendrika. Haingana, niome­rika ary azo […]