Toe-karena

Tsenan’ny lavanila: niakatra 280% ny varotra tao anatin’ny telo taona

Ambony ny tsenan’ny lavanila tao Andapa nandritra ny telo taona niaraha-niasa tamin’ny USAID. Nanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina ny vokatra azo sady nahafahana niaro ny tontolo iainana. Tsara ny tsenan’ny lavanila tao Andapa tao anatin’ny telo taona. Tafaka­tra 280% ny varotra azon’ireo mpamokatra tohan’ny govenemanta amerikana tamin’alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana […]

Tontolo niomerika : tonga eto an-toerana ny Orange 5G Lab

Firenena anisan’ny maharaka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny tontolon’ny niomerika i Madagasikara. Ankehitriny, tonga eto an-toerana ny Orange 5G Lab, an’ny orinasa orange Madagascar. Nampa­hafantarina teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, omaly, ny momba ny 5G Lab. Fitaovana entina hanampiana ireo orinasa sy ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny niomerika hiomana […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : birao tokana ara-pambolena voalohany any Sakay

Sambany ! Notokanana, omaly 28 septambra, tany Sakay Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny Birao tokana ara-pambolena eto Madagasikara. Antom-pisiany ny hanohanana ny lalam-pihariana rehetra eo amin’ny sehatry ny fambolena. Maromaro ny tolotra hita ao amin’ity birao tokana ara-pambolena any Sakay ity, toy ny tolotra mikasika ny fambolena sy ny fikarakarana antontan-taratasy […]

Fandaharanasa Rindra: fiara sy moto ho an’ny minisiteran’ny fambolena

Natolotra omaly 28 septam­bra, ny fiara sy moto ao anatin’ ny Fandaharanasa fa­nama­fisana ny rafi-panjakana, hampiroboroboana ny fana­tsarana ny fambolena (Rindra). Mano­hana ity fandaharanasa ity ny Vondrona eoropeanina (UE). Ahitana fiara 4×4 miisa 4, (karazany station wagon), 4×4 miisa 2 (SUV) ary moto miisa 16 ireo fanampiana ireo, ham­piasain’ny Tantsoroka […]