Naseho, omaly zoma, ny horonantsary fanadihadiana mikasika ny fiainan’ny Mikea, notontosain’i Jean Claude Vinson. Nahatratra 1 300 ny mpijery tao amin’ny efitrano malalaka Basia any Toliara. Hita fa tsy mahakasika ny Mikea ny tetikasa Base Toliara, ka tokony hosokafana satria hitondra fampandrosoana. Taterin’ilay horonantsary fa mivelona amin’ny ala, mihaza sy […]
Toe-karena
Atsimo andrefana : tsy mahakasika ny ala Mikea ny Base Toliara
Any amin’ny maherin’ny 100 km avaratr’i Toliara sy 80 km ny alan’i Ranobe no misy mponina, ny foko Mikea. Malagasy mbola miaina ny fotoana fahagola izy ireo, mivelona amin’ny haza sy ny remby. Anisan’ny mahavita miaina tsy misy rano. Manan-karena ara-kolontsaina, saingy tandindomin-doza ny faritra onenany, ankehitriny, vokatry ny fitrandrahana […]
Fandraharahana : manolotra « Packs Orinasa sy Orinasa+ » ny BNI
Tsy afa-miala amin’ny sehatry ny fizahantany ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Antony nahatonga ny BNI Madagascar manao ny tolotra “Packs orinasa sy orinasa +” ho an’ireo mpandraharaha. Tolotra fampindramam-bola tsotra sy manamora ny fanatanterahana tetikasa. Misy ihany koa ny tolotra KRED izay hanomezana torolalana sy torohevitra amin’ny famatsiam-bola ny tetikasan’ireo […]
Jirama : niverina ny delestazy maharitra
Taitra indray ny mpanjifa, nanomboka ny alin’ny alarobia sy ny marainan’ny omaly alakamisy, niverina tapaka naharitra ny herinaratra. Araka ny hita tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny Jirama ao anatin’ny tambajotra ofisialy, « tara ny fahatongavan’ny fiarabe mpitatitra solika avy any Toamasina, satria nisy lozam-pifamoivoizana tany Mandraka, ka nisy fahatapahana ny lalam-pirenena faharoa […]
“Cacao fin” : manana ny kalitao tsara isika
Naharitra roa andro ary nifarana afakomaly, teny amin’ ny Radisson Ambodivona, ny fivoriana “Panel adhoc cacao fin”. Fihaonana an-tampony niarahan’ireo manampahaizana 20 avy amin’ny firenena maneran-tany mamokatra cacao, nijerena ny kalitao tsara indrindra sy ny vokatra aondrana manerana an’izao tontolo izao. Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny […]




