Toe-karena

Fanaraha-maso ny zavamaniry : hiara-hiasa ny FAO sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana

Tetikasa hiompana amin’ ny fanaraha-maso ireo aretina mianjady amin’ny zavamaniry sy ny tontolo anaty ala izay tena anisan’ny mamotika ny tontolo iainana. Ireo no handrafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sam­pandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny famokarana (FAO) sy ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana. Natao ny alatsinainy teo […]

Fari-dranomasina: hapetraka ny drafi-panajariana

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindrana ny fampiasana ranomasina, hiadina amin’ny fanararaotana ny harena an-dranomasina sy ny fivezivezena tsy ara-dalàna eto amintsika, izay mahatonga loza samihafa. Hapetraka ny drafi-panajariana ny fari-dranomasina manerana ny Nosy, handrindrana ny fihariana isan-tsokajiny mifandraika amin’izany. Tetikasa iarahana amin’ireo mpisehatra an-dranomasina samihafa. Hampitomboina, manaraka izay, ireo […]

Tetikasa Produir : trano vaovao 29 ahitana fonenana 87 haorina eny Andavamamba

Napetraka, omaly 26 septambra, ny vato fototra voalohany fanorenana tanàna vaovao eny amin’ny fokontany Andavamamba. Miisa 29 ny trano haorina, ahitana fonenana 87, ho an’ny fianakaviana sahirana sy marefo.. Mizara roa lehibe ny tetikasa Produir eto An­tananarivo, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Voalohany, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina marefo sady sahirana […]

Ankazobe: Karatany 12 000 sy bokin-tany 282 nozaraina

Mitohy hatrany ny hetsika karatany faobe ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Nahazo ny anjarany ny ao amin’ny faritra Anka­zobe, omaly. Hetsika notarihin’ny mi­nisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany sy ny tetikasa “CASEF”. Kara­tany miisa 12 000 no nozaraina tany an-toerana vokatry ny hetsika karatany faobe (opération de certification foncière massive […]