Toe-karena

Mpandraharaha madinika: mivoatra ny fanodinana tantely

Misehatra amin’ny fanodinana ny akora voajanahary eto an-toerana, manodina ny tantely ny orinasa Iloo. Niforona tamin’ny taona 2019, orinasa madinika mifantoka amin’ny akora tantely. Maro ny vokatra sy ny tolotra omeny ary tan­jony ny hanomezana vokatra mifanandrify amin’ny filan’ny mpan­jifa. Anisan’izany ny tantely atao anaty boaty na tavoahangy, sns. Anisan’ny […]

Vondrona Sodiat- 33 taona: mitohy ny vina ho tombontsoan’ny toekarena malagasy

«Ezaka maro avy amin’ny olona maro no nahatrarana izao faha-33 taona izao sy ny fahombiazana rehetra, tao anatin’izany » hoy Ravatomanga Mamy. Mbola maro ny ezaka hitohizan’ny fahombiazana ho tombotsoan’ny Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny lanonana fankalazana ny faha-33 tao­nan’ny Vondrona Sodiat. He­tsika maro […]

Rotary Club Antananarivo Vovonana : mpianatry ny EPP Volavy miisa 100 nahazo fitaovam-pianarana

Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatry ny EPP Volavy Gara eny Man­jakandriana ny fikambanana Rotary Club Antananarivo (RCA) Vovonana. Nanatan­teraka izany ny filohany, Randrianarisoa Malalatiana, niaraka tamin’ny mpikambana vitsivitsy, toa an-dRaketa­manga Lalao, efa filoha teo aloha. Niisa 100 ny ankizy nisitraka ny fanampiana, ka ao amin’ny kilasy T5 izay hanala fanadinana […]

Fiatrehana ny maitsoahitra : azo antoka ny famatsiam-bary

Mijery sahady ny vanim-potoana hiatrehana ny maitsoahitra sy hisorohana ny olan’ny famatsiam-bary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa State Pro­curement of Madagascar (SPM) amin’ny fitehirizana ireo vary nafarana tonga eto amintsika. Ankoatra ny vary 15 950 t tonga tao Toliara, ny tapa-bolana lasa izay. […]

Tetikasa Aintsoa : tokantrano 800 hivoatra ara-pambolena

Anisan’ny paikady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Antananarivo ny fambolena an- drenivohitra. Mandray anjara amin’izany ny ataon’ny ONG Gret ao anatin’ny tetikasa « Aintsoa », vatsian’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana, AFD, ara-bola. Natolotra omaly zoma 22 septambra ny fitaovana sy kojakoja ara-pambolena maro ho an’ny mpamokatra eto an-tanàn-dehibe, toy ny moto, […]