Miisa 700.000 ny mponina eto Antananarivo, miaina eny amin’ny toerana iva, mora tratry ny rano. Anisan’ny asa maika tsy miantsy hatao ny fanadiovana ny lakandrano C3. Mahatratra 115.000 m3 ny fotaka mila esorina, ary tsy maintsy hafindra toerana ny mponina mipetraka manodidina ny lakandrano. Laharam-pahamehana ataon’ny tetikasa Produir, ny fanarenana […]
Toe-karena
Faritra arovana Masoala : 100.000 dolara ho an’ny Medd
Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Faritra arovana (AP) any Masoala io vola io. Nomarihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, […]
Delestazy : tonga ny solika mavesatra
Efa eny Ambohimanambola ary azo ampiasaina ny solika mavesatra avy any Toamasina. Tanteraka izany taorian’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny orinasa LPSA ary ny mpitatitra solika. Mbola mitohy ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina, ka hanomboka hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra […]
Fambolena potiky ny havandra : fanampiana ho an’ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana
Nidina tany Manandriana sy Fiaferana Avaradrano, ny sabotsy 10 jona teo, ny filohan’ny Antenimierandolona sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny tale jeneralin’ny orinasa STOI. Nitondra fanampiana izy ireo ho an’ny tantsaha tra-pahavoazana vokatry ny havandra farany teo. Nitaraina ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana fa potiky […]
Harena an-kibon’ny tany : mihamatotra ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa
Manana fifandraisany akaiky amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany i Frantsa sy i Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny birao fiasany Ampandrianomby, ny 8 jona teo, ny masoivohon’i Frantsa vaovao, Arnaud Guillois. Navoitran’ny ambasadaoro frantsay ny asa nataon’ny Birao fikarohana […]




