Tapitra ny alarobia teo ny fivoriambe iraisam-paritra momba ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Hoentina hamolavolana paikady iadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna ny fehinkevitr’ity fivoriambe ity. Ho fantatra aorian’izay ireo fomba enti-manohitra izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tsiahivina fa naharitra telo […]
Toe-karena
Israely- Madagasikara: hampiroborobo ny toekarena sy ny varotra ny CCISMA
Na firenena kely velaran-tany aza i Israely, ambony be ny tahan’ny fitomboan-karena isam-batan’olona. Nampahafantarina, omaly, ny fijoroan’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA) eto Madagasikara. Tanjona, ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra ary ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Manana tombondahiny amin’ny lafiny fahaiza-manao i Israely, eo amin’ny sehatry ny fambolena […]
Betafo : nahazo ozinina manodina ovy ho lasa chips
Afaka manodina ovy 100kg isan’ora ilay milina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Betafo, omaly. Hanampy betsaka ny tantsaha ny fahazoana ity ozinina ity, noho izy ahitana lalam-barotra amin’ny famokarana ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy […]
Fandraharahana : namatsy 100 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena
Natao sonia, omaly 9 jona, ny fifanarahana famatsiam-bola 100 tapitrsia dolara, eo amin’ny Banky Iraisam- pirenena (BM) sy ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Mizara telo ny sehatra hampiasana ity 100 tapitrisa avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Voalohany, hanamafisana ny fahaiza-mitantana ny lafiny […]
Potika ny rn5 : mandany vola ny fanarenana fiara
Anisan’ny mampitaraina ny mpitatitra ny fahasimban’ ny lalam-pirenena fahadimy mampitohy an’i Toamasina sy Mananara avaratra. Mazàna atao iray andro maninjitra ny dia. Mbola miantoka solika ihany koa ny fiara rehefa miampita ireo baka samihafa. Mandany hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ny fanarenana ny fiara, noho ny fahasimbana miompampana. Mila soloina […]




