Toe-karena

Sendikan’ny indostria malagasy: hampisongadina ny vokatra malagas

Toy ny fanao isan-taona, hampiranty ny vokatra ma­la­gasy ao amin’ny “Label Mala­gasy ny antsika” ny sendikan’ny indostria malagasy (SIM), amin’ity volana jona ity. Haseho sy hisongadina eny amin’ny magazay sy tranombarotra lehibe 14 eto andrenivohitra isaky ny faran’ny herinandro ireo vokatra malagasy. Tanisaina amin’izany ny Jumbo, U Express, Shop Liantsoa, […]

Madagasikara : miditra amin’ny « transition énergétique »

Tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina mandritra ny telo andro ny « Salon de l’électricité des énergies renouvelables et des hydrocarbures », an­diany faharoa. Anisan’ny firenena miditra amin’ny fampiasana angovo azo ha­vaozina i Madagasikara. Antony nahatonga ny hetsika ny fampahafantarana ireo angovo samihafa azo am­piasaina andavanandro an­koatra ny herinaratra. […]

Asa tanana sy haitao : fototry ny fanarenana fihariana

Mampiroborobo ny toekarena malagasy ny fanomezan-danja ny asa tanana sy ny fanodinana ny fako ho vokatra azo ampiasaina andavanandro. Tafiditra anatin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. “Tokony homena lanja ny asa ta­nana malagasy noho i Madagasikara mbola voasokajy ho anisan’ny firenena tsy manana indostria”, hoy Rabetsialonina Moustane, […]

Airtel : Avahana ny fako

Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME), ny 5 Jona 2023 ny vondrona Airtel. Ani­san’ny hifantohany ny fiparitahan’ny fako plastika mandoto ny tontolo iainana. Maro ny hetsika nataony eo anivon’ny orinasa. Toy ny fampiasana vera tavoahangy ao am-piasana, fametrahana fitoeran-drano sotroina azo ampiana fa tsy […]

« Foire internationale de l’agriculture » : hampiroborobo ny fifanakalozana ny andiany fahadimy

Hiompana betsaka amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra (Eco responsable) ny « Foire internationale de l’agricul­ture, de l’élevage et de la pêche » (FIA), amin’ity andiany fahadimy ity. Hatao ny 21 hatramin’ny 24 septambra izao eny amin’ny parc des expos, Forello Tanjombato, ny hetsika. Tanjona ny hamory […]