Hanomboka anio 21 hatramin’ny 24 septambra ny foara iraisam-pirenena mikasika ny tontolon’ny fambolena. Fotoana hihaonana mivantana amin’ireo seha-pihariana voakasika, ny mpandraharaha ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Roa taona misesy izao no hanohanan’ny MVola ny tetikasan’ny mpandraharaha sy ny mpisehatra samihafa. Mandroso vahaolana ara-bola mifanandrify amin’ny filana manokan’ny tsirairay amin’izy ireo. Anisan’ny […]
Toe-karena
“First Global Challenge”: Tanora malagasy miisa 5 ho any Singapour
Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny haitao kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Razafindramalo Tahina, omaly, ny ekipa malagasy tanora handray anjara amin’ny fifaninanana “First Global Challenge”, ny 7 hatramin’ny 10 oktobra ho avy izao. Fifaninanana iraisam-pirenena, andiany fahafito, miompana amin’ny fikarohana siantifika sy ny teknolojia niomerika. […]
Sakafo andavanandro: nihena ny fanafaram-barin’i Madagasikara
Mahatratra 283 842 t ny totalin’ny vary nohafarantsika nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jolay teo, araka ny tatitra navoakan’ny INSTAT. Tafakatra 443 222 t kosa izany nandritra ny fito volana voalohany, taona 2022, nisy fitomboana hatrany amin’ny 159 380 t, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Nihena ihany koa ny […]
Famokarana anaty rano : jerena ny paikady hampivoarana ny toekarena manga
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Vondrona Afrikanina ny famolavolana paikady hampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga, ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny “Agenda 2063” eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Fandaharanasa mifantoka amin’ny fanomezana asa, amin’ny alalan’ny harena anaty rano, sy hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. […]
Akoranafo: ampy ny tahirin-tsolika manerana ny Nosy
Ampy hiatrehana ny filana ny solika eto Madagasikara. Tombanana ho tonga afaka 20 andro ao Toamasina, ny sambo lehibe iray mitondra izany, raha andrasana 35 andro izany teo aloha, araka ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo (OMH), ny zoma teo. Nambarany fa tonga tao Toamasina, ny 9 septambra teo, ny […]





