Toe-karena

Airtel sy ny polisim-pirenena : nanolotra fitaovam-pifandraisan-davitra ho an’ny zaza kamboty

Manome lanja ny fanabeazana ny ankizy ny Airtel. Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa mikasika ny fifandraisan-davitra, ho an’ny toby fitaizana zaza kamboty an’ny polisim-pirenena any Ambatolampy, ity orinasa ity, ny 21 aogositra teo. Anisan’izany ny fitaovana « routeur » iray misy fahana mandritra ny herintaona, miampy ordinatera iray. Azo ampiasaina hiatrehana ny […]

Orinasa Rio Tinto: nohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana

Hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny Rio Tinto sy ny governemanta malagasy mi­kasika ny lafiny hetra ho an’ny orinasa Qit Madagascar Minerals (QMM). Natao sonia, ny 22 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa hitrandrahana maharitra ataon’ny QMM any Taolagnaro. Anisan’ny tanjona ao anatin’ny fifanarahana ny hisi­trahan’ny vahoaka malagasy bebe kokoa ny […]

Faritra arovana: fifaninanana ho an’ny mpanao gazety

Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, hanao fanadihadiana mikasika ny Faritra arovana (AP) eto Madagasikara. Miaraka mikarakara azy ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-javamananaina eto Madagasikara (FAPBM), ny tetikasa Varuna ary ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE). Tsikaritra hoy […]

« Branchement mora » : tonga ny kaontera andiany faharoa miisa 25 000

Tetikasa hampisitrahana herinaratra ho an’ny tokantrano marefo manerana ny Nosy ny “branchement mora”. Niampy 25 000 isa indray ny kaontera hojifaina amin’ny vidiny 30 000Ar. Tetikasa natao hitsinjovana ny sarambabem-bahoaka ny “branchement mora”. Afaka misitraka izany ireo tokantrano voama­rin’ny fokontany sy misoratra ara-dalàna ao aminy. Kaontera 25 000 isa indray […]

Lalaon’ny Nosy : tsy ho latsa-danja ny sehatry ny fizahantany

Fotoana goavana sy ahafahana mampahafantatra an’i Madagasikara amin’ny any ivelany ary hampiroborobona ny sehatry ny fizahantany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) andiany faha-11. Fotoana hisarihana mpizahatany ho tia ity nosy ity ireo 10 andro hanaovana ny lalao. Misy ny paikady entin’ny minisiteran’ ny fizahantany hanatanterahana izany. Maro […]