Nanao hetsika andrana fampiharana ny fepetra atao rehefa sendra misy ny loza ny Ravinala airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Nosy Be, ny 15 mey teo. Nanampy nanatanteraka izany i Vincent Robert, teknisiana amin’ny vonjy taitra any amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, any Paris. Anisan’ny natao ny fampiharana ny fihetsika sy […]
Toe-karena
Rajaonson Hugues : mila apetraka ny politikan’ny harena an-kibon’ny tany
Manampahaizana amin’ny toekarena sady efa nitazona andraikitra ambony, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Dr. Rajaonson Hugues. Anisan’ny navoitrany ny hampiroboroboana ity sehatra ity, ny hametrahana politikam-pirenena. Maro ny hevitra naroson’ny Dr. Rajaonson Hugues hanatsarana ny sehatry ny harena an- kibon’ny tany eto Madagasikara. Nomarihiny mikasika ny lalàna vaovao […]
Arabe migodana : mitohy ny famaritana ny lalana
Nesorina tamin’ny toerany maha tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE) azy Rakotoson Rija Herisolo, araka ny tinapaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 17 mey teo. Talohan’izay, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety izy, ny alatsinainy 15 mey, nilazana fa miato ny asa fanaovana ny arabe migodana, […]
Trosan’ny orinasa Jirama : hampindram-bola ny fanjakana malagasy
Hindram-bola amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana manokana na “bon de trésors spéciaux” (BTS), ny orinasa Jirama. “Atao izao mba hanajan’ity orinasa ity ny fifanarahana arak’asa ataony miaraka amin’ny Henri Fraise Fils et Cie (HFF) sy handoavany ireo trosany”, araka ny nankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra izany fanapahan-kevitra izany, ny alarobia […]
Banky foiben’i Madagasikara : hanonta 50 Ariary volamena
Homarihina ny volana jona izao ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hankalazana izany, tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hanonta vola volamena 50 Ar ny banky. “Fomba amam-panao mahazatra eo amin’ny banky foibe sy vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara […]




