Tsy araka ny tena nantenaina! Anisan’ny tena niomana fatratra ny hamaroan’ny mpanjifa amin’izao fisian’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) izao ireo mpivarotra asa tanana sy taozavatra malagasy, etsy amin’ny tsena Pochard Soarano. Nilaza ny mpitondra tenin’ ny fikambanan’ny Art Malagasy miray (AMM), Mbintantsoa, fa efa ela niandrasana ity […]
Toe-karena
Korea Atsimo sy Madagasikara : hamadika ny otrikarena ho lasa harena
Notanterahina, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny governemanta malagasy sy ny repoblikan’i Korea Atsimo. Hanamafisana ny fahalalahan’ireo orinasa koreanina hampiasa vola eto Madagasikara. Mba hampivoarana ny fitrandrahana angovo sy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Manana tombony goavana i Madagasikara noho ny fananany harena voajanahary ary antoka […]
Hanam-pamokarana: tantsaha 292 nahazo tombontsoa
Nisitraka hanam-pamokarana, tamin’ny alalan’ny tetikasa PURPA, ireo kaominina valo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny herinandro teo. Nahatratra 292 ny tantsaha nahazo ny masomboly vary milanja 2 628 kg, zezika NPK 4 380 kg sy zezika biolojika 21 900 kg. Tetikasa enti-mampiroborobo ny famokarana sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo […]
Tetikasa “Lead asa 400”: mponina 2 tapitrisa hisitraka herinaratry ny Jirama
Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra. Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola […]
Banky Iraisam-pirenena : tsy ho tratra ny tanjon’ny rano fisotro madio
Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena. Aminy, tsy ho tratra ny tanjona napetraka ho an’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) apetraky ny Firenena Mikambana mikasika ny rano fisotro madio. Raha ny antontanisa navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, manodidina ny 1,6 miliara ny olona tsy manana rano fisotro madio hatramin’ny taona 2030. Miisa 2,8 miliara […]





