Nanomboka omaly 11 hatramin’ny 13 mey, ny fivoriamben’ny Filankevitry ny governora, ahitana firenena 24, avy amin’ny faritra tapany atsinanana sy atsimo (ESA) ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny ladoany (OMD). Anisan’ny manome voninahitra manatrika izany ny sekretera jeneraliny, Kunio Mikuriya. Mamaritra ny paikady stratejikan’ny mpikambana ao amin’ny ESA ny filankevitry […]
Toe-karena
Henan’omby : tsaho ny filazana fa mampiasa «formol»
Nidina ifotony koa omaly, ny fitantanana ny Fiompiana (DGE) ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Narahi-maso ny toerana famonoana omby eny Ampasika. Hita fa manaraka ny fitsipika sy ny fepetra rehetra ara-pahasalamana, ny henan’omby ity toerana ity. Nohitsin’ny tale jeneralin’ny Fiompiana ao amin’ny minisitera, Lezoma Tsiry, fa «miasa […]
Foire internationale de Madagascar- 2023 : mampivondrona ny mpandraharaha rehetra
Mampiray ny mpandraharahana isan-karazany manerana ny Nosy sy ireo orinasa eto an-toerana sy avy any ivelany ny FIM andiany faha-17. Asongadina anatin’ny hetsika ny fikolokoloana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra. Nisokatra nanomboka omaly, eny amin’ny Parc des expos Forello, Tanjombato ny “Foire internationale de Madagascar” (FIM) andiany faha-17. […]
SEHA-PIHARIANA trondro : mampiroborobo ny fidiram-bola
Manana ho avy mamiratra ny fihariana anaty rano. Sahirana ny lafiny jono noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fanjonoana miompampana, hoy ny FAO. “Antony mahatonga antsika mirona amin’ny fiompiana trondro. Natao izany mba hahafahantsika mamorona asa sy mampiakatra ny fampidiram-bola isan-tokantrano”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]
Ladoany : eto amintsika ny SG an’ny OMD
Tonga eto Madagasikara, ny talata 5 mey teo, i Kunio Mikuriya, sekretera jeneraly (SG) ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny haban-tseranana (OMD). Mifanandrify amin’izao fahatongavany izao ny fikaonandoha iraisam-pirenena mikasika ny ladoany, andiany faha-37 ny 8-10 mey izao, ny fivorian’ny filankevitry ny governora ny 11-13 mey, samy atao eto Antananarivo avokoa. […]




