Toe-karena

CCIFM-ADIM : hamafisina ny fifanakalozana ara-barotra

Hanatsara ny lafiny toekarena sy ny fiainan’ny mponina andavanandro atsy amin’ny Nosy Mayotte sy eto Madagasikara. Ireo ny napetraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Chambre de commerce et de l’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Agence de développement et d’innovation de Mayotte (ADIM). Natao, omaly, teny Androhibe ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tanjona […]

OCP Maroc-Fofifa : « Fambolen-kazo eny ifotony »

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Maraoka, amin’ny alalan’ny Fondation OCP Maroc sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) amin’ny alalan’ny Fofifa sy ny CAFPA Antsirabe. Misy ny tetikasa vaovao, « Fambolen-kazo eny ifotony », iarahan’ny roa tonta, natomboka ny 9 mey teo, mahakasika faritra telo (Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Diana). Tanjona ny […]

Harena an-kibon’ny tany: hiakatra ho 5% ny tahan’ny hetra aloan’ny mpitrandraka

Anisan’ny zava-baovao hita ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ny fampiakarana ny tahan’ny hetra aloan’ny mpitrandraka amin’ny fanjakana. Etsy ankilany, nahena ny velaran-tany azon’ny mpandraharaha trandrahina, mba tsy hobodoin’ny olom-bitsy. Dinihin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Nanatrika koa ny mpisehatra isan-tsokajiny, […]

Famokarana voanjo : mangataka ozinina ny kaominina Befeta

Tanàna anisan’ny mamokatra voanjo ny kaominina Befeta, ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa. “Mahatra­tra 30t isan’andro ny vokatra azo ao an-toerana ary mavitirka amin’izany famokarana izany ny mponina”, hoy ny loharanom-baovao iray. Olana anefa ny famoahana ny vokatra. Araka izany, mangataka ny hisian’ny ozinina fanodinana voanjo ny mponina any an-toerana fa tsy […]

Lalana Andramasina sy Ambohimiadana : hampandraisina anjara ny mpitatitra sy ny mpandraharaha

Nidina tany amin’ny distrikan’Andramasina ny teknisiana sy ny injeniera ao amin’ny faritra Analamanga, ny herinandro lasa teo. Nojerena ifotony ny fanomanana ny hanarenana ny lalana, izay efa tena potika hatry ny ela. Hiarahan’ny faritra Analamanga sy ny ben’ny Tanàna sasany, ny mpitatitra, ny mpandraharaha ary ny zanaka am-pielezana manatanteraka ity […]