Notsindrin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, omaly, fa mitohy ny famatsiana solika ny Jirama, hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra. Misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpitatitra solika, toy ny raharaham-barotra rehetra. Nomarihiny kosa fa «taratasy tokony ho nalefan’ny fikambanan’ny mpitatitra solika (APTH) tany […]
Toe-karena
Fanarenan-dalana : miisa 43 ny zotra hamboarina eto Antananarivo
Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny asa fanarenana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Maharitra 6 herinandro ny fe-potoana hanarenan’ny orinasa ny zotran-dalana iray. Mandeha ny asa ! Manampy ny kaominina CUA sy ny faritra Analamanga amin’ny fanarenana ny lalana potika eto an-drenivohitra, ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Nilaza ny talen’ny […]
Foaran’ny fambolena, fiompiana ary jono : omena tosika mandritra ny foara ireo tetikasan’ny mpianatra injeniera
Notanterahina omaly, teny Tanjombato ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny mpianatra injeniera eny amin’ny polytéchnique Vontovorona sy ny mpikarakara ny hetsika (fia) foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana. Nisy ihany koa ny fiofanana nataon’ireo mpianatra momba ny teknika sy fahaiza-miteny amim-pahatokiana sy mazava. Mba hahafahana mampihodina sy mandresy lahatra ny […]
Belemboka sy Belalanda : hitondra fampandrosoana ny tetikasa Base
Tsindriandaona ny mponina any amin’ny kaominina Belomboka sy Belalanda, samy distrika Toliara II, manantena ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ho azy ireo, hitondra vahaolana amin’ny tsy fisian’asa sy hampandroso ny faritra ity tetikasa ity. Notsorin’ny ben’ny Tanàna Belomboka, Fiadanantsivita, fa miray feo tanteraka ny mponina any Belomboka, manohana ny fitrandrahana […]
Banky foiben’i Madagasikara : niakatra ny tahan’ny zanabola
Nivory omaly 8 aogositra, ny vaomieran’ny vola ao amin’ ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tinapaka fa hampiakarina ny tahan’ny zanabola ao aminy ho an’ny bankim-barotra. Niakatra ho 9% ny tahan’ny zanabola ho an’ny fametrahana vola (facilités de dépôt), ary lasa 11% ny tahan’ ny findramam-bola (facilités de prêt marginal). Nahatonga […]





