Toe-karena

Tanora MYBM : nampahafantarina ny mikasika ny hetra

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Hetra (DGI) Germain, omaly, ireo tanora mpandraharaha miisa 15, mikambana ao amin’ny Ma­lagasy Youth Business Mee­ting (MYBM). Fihaonana nokarakarain’ny fandaharanasa Fihariana, mba hamantaran’izy ireo bebe kokoa ny tontolon’ny hetra. Nilaza ny tonia mpanatanteraky (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa nandritra ny fanazavana vao nahafantatra izy […]

Delestazy lavareny : potika ny fihariana madinika

Manimba ny fiharian’ny mpandraharaha madinika ny fahatapahan-jiro maharitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mihena ny fidiram-bola, ny faktiora aloa isam- bolana anefa tsy miova. Velon-taraina manoloana ny fahatapahan-jiro isan’andro ny olona fa indrindra ireo miasa tena, izay tsy maintsy mampiasa herinaratra hanodinana ny orinasany. Tafidi­tra amin’izany ireo mpanao cybercafé sy […]

Razafimahefa H. : « Aoka tsy hiandry ny governemanta »

Ankoatra ny lafiny politika, navoitran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Raza­fimahefa Herimanana ny toekarena sy ny sosialy. «Tsy misy intsony ny tena fanatontoloana amin’izao fotoana izao, fa bahanan’ny hery ana­nkiroa, ny tandrefana sy ireo firenen-dehiba hafa sy vao misondrotra», hoy izy. «Aleo isika tsy hiandry foana ny governemanta, fa afaka miasa foana. Maro […]

Tetikasa FYVARY : masomboly tsy voatery hampiasana zezika

Nanaovana andrana sy fanehoana ny tetikasa Fyvary ny lemak’i Volidina, fokontany Antsahatanteraka, kaominina Ankadinondry Sakay, distrika Tsiroanomandidy. Nampiasana masomboly Fyvary 85 sy Fyvary 32 ny velaran-tany maherin’ny 20 Ha sady natao vala tahaka ny nanaovana ny teknika papriz. Natao izao hanatsarana ny voka-bary eo an-toerana sy ho fiaraha-miasa amin’ny tetikasa. […]

Fiarovana ny tontolo iainana : hahazo famatsiam-bola 200 tapitrisa Ar ny tetikasa mendrika

Anatin’ny politikim-panjakana ny fandraisana andraikitra sy fampirisihana ny sehatra tsy miankina hiroso amin’ny fampiroboroboana maharitra ny harena voajanahary. Antony nahatonga ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, miaraka amin’ny ny BNI Madagascar niara-niasa. Na­tao sonia omaly, tetsy Ambo­divona, ny fandaharan’asa BNI Lovainjafy. Araka izany, nisokatra niaraka amin’izay ny fifaninanana […]