Nisokatra omaly, eny amin’ny tokontany malalaky ny Malagasy professionels de l’élevage (MPE), eny Nanisana, ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (Foire de l’élévage et de production animale). Haharitra efatra andro izany. Hita eny an-toerana ny ankamaroan’ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana. Torak’izany ny fampitaovana ilaina. Mampiavaka ity […]
Toe-karena
UE-OSC : olana ho an’ny tantsaha ny fahazoana tany
Natao ny 19 avrily teo, ny dinika teo amin’ny Delegasiona Vondrona eoropeanina eto Madagasikara (DUEM) sy ny solontenan’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Lohahevitra nifampidinihina ny hoe « ny fambolena, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny fananan-tany ». Nanamarika ny Fiarahamonim-pirenena (OSC) fa mbola marefo ny rafitra mifehy ny fambolena eny ifotony sy ny mponina. Tena […]
« Antso tontolo miaina » : hampihaonina ny tontolo iainana sy ny kanto
Efa mby an-koditra ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny hetsika «Atson’ny tontolo miaina», hatao ny 20 mey hatramin’ny 5 jona 2023 (Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana), etsy amin’ny Tour Zital Ankorondrano. Hetsika miompana amin’ny fandraisan’ny zavakanto anjara amin’ny fampitana hafatra fanairana eto Madagasikara manoloana ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro. […]
Vidim-piainana : manomboka mihena ny vidim-bary
Manomboka midina tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao, raha tafakatra hatramin’ny 4.200Ar ny kilaon’ny vary gasy teo aloha teo. Efa tafiditra anatin’ny vanim-potoana fararano sy ny fiakaram-bokatra isika amin’izao, antony mahatonga ity fihenana ity. Ankehitriny, manodidina ny 2.300Ar ka hatramin’ny 3.400Ar ny kilaom-bary eny an-tsena. Nilatsaka 200 Ar isaky ny […]
Tandrina Suzette : fahasoavana lehibe ny fasimainty any Toliara
Vehivavy mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversite Toliara, Rtoa Tandrina Suzanette Alphonsine. Manana fijery mazava tsy mitongilana izy mikasika ny raharaha Base Toliara. Aminy, anjaran’ny fanjakana tanteraka ny manapa-kevitra mikasika azy, fa tsy tokony hijerena ny mpomba na ny mpanohitra ny tetikasa. «Efa fantatra ny tombontsoa entiny, koa inona […]




