Niatrika fiofanana voalohany, tetsy Antaninarenina, ireo mpandraharaha handray anjara mandritra ny «Salon International des Acteurs Economiques» (SIAE), ny sabotsy teo. Niofana mikasika ny firesahana sy fandresen-dahatra manoloana ireo mpiara-miasa sy mpanjifa ho avy hanatrika ny hetsika izy ireo. Tanjona ny mba hahafa-po ny mpanjifa, avy eto an-toerana sy avy any […]
Toe-karena
QMM : mitombo ny mpanjifa fasimainty
Tsy mijanona intsony amin’i Canada, efa misokatra amin’ny firenena maro ny sehatry ny fandraharahana ny fasimainty na «ilménite» ho an’ny orinasa QMM anatin’ny vondrona Rio Tinto. «Nitombo ny mpanjifa ary niampy ireo firenena mandray ny vokatra amin’izao fotoana», hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa, i Andry Francis. Anisan’ny […]
Tsy maharaka ny famatsian-tsolika : miverina indray ny delestazy amin’ny faritra maro
Mahery vaika ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tara ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama. Miezaka mitady vahaolana haingana ny orinasa. Misy olana ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama amin’ny distrika maromaro manerana ny Nosy. Vokany, voatery mampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na ny “délestage tournante” ny orinasa anatin’ny andro vitsy. […]
Fadintserana malagasy : sivanina ireo entana manimba tontolo iainana
Hojerena akaiky ireo entana miditra sy mivoakan’i Madagasikara. Hofantarina ireo akora simika “hydro chlorofluorocarbure” (HCFC) manimba ny sosona “ozone” sy ny olombelona. Hahafehy izany ny fampiasana ireo fitaovana manokana entina hamantarana ireo akora simika anaty fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Ireo no tanjona napetraka ho an’ireo mpiasa 27 nanaraka fiofanana etsy […]
Hanatsarana ny fahaiza-manao: 1093 ireo mpanao asa tanana voaofana tamin’ny atrikasa INP
Manodidina ny 1093 ireo mpanao asatanana voaofana tamin’ny atrikasa “Intérêt National Prioritaire” (INP). Avy amin’ny orinasa THA (Textile- Habillements et Accessoires) sy mpanao asatanana maro samihafa izy ireo. Tanjona ny hahafahana mampandroso ny kalitaon’ny asatanana sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Niompana betsaka tamin’ny asatanana misehatra amin’ny asa fandokoana natoraly toy […]




