Hampiakatra indray ny tahan’ny mpizahatany sy hampiroborobo ity sehatra ity. Io ny tanjona hapetraka mandritra ny hetsika “International tourism fair Madagascar”, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Manana vina ny hampiakatra ny isan’ny mpizahatany, toy ny mialohan’ny taona 2019. Io no tanjona napetraky ny Office national du […]
Toe-karena
Harena an-dranomasina : nitsangana ny tetikasa “Îles Barren”
Hikajiana ny tontolo iainana an-dranomasina sy hampaharitra azy. Hampiakarana ny fari-piainan’ny mpanjono madinika, ireo no tanjona napetraka amin’ny fanaingana ny tetikasa “Îles Barren” ao ampitan’i Maintirano sy ny ao amin’ny “Réserve de Biosphère” Tsimanampetsotse Nosy Ve-Androka. Omaly, nisy ny atrikasa momba ireto tetikasa roa lehibe ireo izay iarahana amin’ny WWF […]
“Spring meetings 2023” : nandray anjara tamin’ireo programa enina i Madagasikara
Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 10 avrily, tany Washington ny “Spring Meetings”. Fivoriam-be isan-taona fanaon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpifanaraka ara-bola aminy rehetra. Nandray anjara amin’izany ny firenena malagasy izay tarihin-dramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy Andrianarivelo Aivo, governoran’ny Banky […]
Fanitsiana ny “code minier” : vahaolana sy fanamby avy amin’ny fanjakana
Nasiana fanitsiana ny lalàn’ny « code minier » taorian’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny talata teo. “Mikasa ny hametraka rafitra ara-dalàna mba hahatonga ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho fanohitry ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fitondram-panjakana malagasy”, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra hatrany. Notsipihiny fa ny fanitsiana ny […]
Misondro-bidy hatrany: tafakatra 4.100 Ar ny kilaon’ny vary gasy
Tao anatin’ny tapa-bolana, indroa niakatra sahady ny vidim-bary. Teo aloha raha 4.000Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, misy sahady ireo mivarotra izany ho 4.100 Ar ny vary mena. Tao anatin’ny herinandro vitsy, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eto amintsika. Ankehitriny, tafakatra 4.100Ar ny kilaon’ny vary gasy mena “Tsy mbola midina ny […]




