“Manodidina ny 1000 Ariary ny kilaon’ny paoma any Antsirabe amin’izao fotoana izao”, hoy i Line, mpamboly sy mpamokatra avy any an-toerana raha nantsoina tamin’ny finday, omaly. Mahatratra 3500 Ar hatramin’ny 4500 Ar ny kilao eny amin’ny mpivarotra antsinjarany raha eto Antananarivo. Manodidina ny 2500 Ar hatramin’ny 3000 Ar kosa izany […]
Toe-karena
Manjaka ny asan-jiolahy any Toamasina : mety hiaka-bidy ny zavatra ilaina andavanandro PPN
Mifamahofaho ny lafiny famatsiana entana eto Toamasina. Mitaky ny hahalalana ny marina momba ny famonoana ilay teratany indianina ny mpandraharaha namany. Mety hisy ny ankivy hataon’izy ireo, tsy hahatongavan’ny entana ilaina andavanandro PPN. Mirongatra ny asan-jiolahy eto Toamasina. Manaitra ny fanjakana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mpandraharaha karana, hijery haingana […]
Bebe Marie Margueritte – Fibodoana tany : natolotry ny minisitera azy ny titra maha tompon’ny tany
Natolotra an’i Bebe Marie Margueritte, omaly, ny “titre” manaporofo fa azy ny taniny. Nanatitra izany teny amin’ny trano fonenany eny Ambohipo Tanàna ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tsy maintsy mitazona ny teny nomeny ny minisitera amin’ny fanampiana an’i Bebe Marie Margueritte”, hoy ny minisitry ny Fanajariana […]
Ankadimbahoaka sy By-pass : mbola tapaka ny lalana
Mbola tapaka ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy ny rond-point By pass, raha ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa mbola mitohy ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana no anton’izany. Marihina fa efa eo am-pamaranana ny asa ny orinasa ankehitriny. Hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana […]
Fivoriana momba ny lavanila: hisokatra amin’ny mpandraharaha hafa ny minisitera
Nampivory ireo mpandraharaha ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV), omaly. Katsahina ny vahaolana maharitra hiatrehana ny olana.Fividianana izany any amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny amin’ny varotra iraisam-pirenena. Resaka nifanaovana tamin’ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard. Gazety Taratra(*) : Inona marina ny antony fihaonana anio, tsy efa vita tany Sambava ve […]




