Toe-karena

Sambava : nodorana ny lavanila fa tsy misy mpividy

Nanao fihetsiketsehana avy hatrany ny mpikambana ao anatin’ny SOS Lavanila any Sambava, omaly. Tsy nahandry ny fe-potoana 72 ora napetrak’izy ireo, miandry ny fepetra sy vahaolana omen’ny fanjakana. Nisy ny herisetra nihatra tamin’ny olon-tsotra. Nidina an-dalambe ny mpisehatra amin’ny lavanila, omaly, nanao hetsika manodidina ity sehatra ity. Misy ny vovonana SOS […]

FIM 2023 : hiompana amin’ny fanajana ny tontolo iainana

Hotanterahina ny 11 ha­tramin’ny 14 mey izao, etsy amin’ny Forello Tanjombato ny Foire Internationale de Madagascar (FIM), andiany faha-17. Hiompana amin’ny fanatsarana sy fampahafantarana ny zava-misy momba ny fanajana ny tontolo iainana maharitra ny hetsika, raha ny nambaran’ny mpikarakara. “Hisy fampirantiana ma­neho izany eny an-toerana mba hanentanana ny rehetra handray […]

New York : fivoriambe mikasika ny rano

Nanomboka ny 22 marsa teo, any New York, ny fivoriamben’ny firenena Mi­kambana (ONU) andinihana lalina mikasika ny rano. Tombanana ny zava-bita aty antenantenany mikasika ny fanatrarana ny tanjona ato anatin’ny 10 taona (2018-2028), ny « rano ho an’ny fam­pandrosoana maharitra ». Miaraka mitarika ny fivo­riana ny governemanta any Tadjikistan sy Pays-Bas. An­koatra […]

Tetikasa « Train urbain » : hisokatra amin’ny aogositra ny fitaterana

Vahaolana hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra ny fitaterana an-dalamby mandeha amin’ny herinaratra. Maro ny pitsopitsony tsy maintsy hatao, fa vinavinaina amin’ny volana aogositra 2023 ho avy izao ny andrana hampandehanana azy. Vita amin’ny 60% ny fotodrafitrasa hametrahana ny fitaterana an-dalamby eto Antanana­rivo, ao anatin’ny tetikasa « train urbain ». Nijery ifotony […]