Sahona « Mantella aurantiaca » izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara 1 800 mahery no naverina eny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy, ho fiarovana sy fampitomboana taranaka ity karazana sahona ity. Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fitandrovana ny voahary (UICN)* ho anisan’ireo biby tandindonin-doza […]
Toe-karena
Fisondrotry ny toekarena malagasy: noho ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ihany
Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena malagasy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena farany tamin’ny 24 marsa 2023. Marefo ny toekarena amin’ny ankapobeny, ary voasokajy anisan’ny firenena mahantra indrindra i Madagasikara. Nisy 5,7 % ny fisondrotry ny harinkarena tamin’ny 2021 na teo aza ny Covid-19 sy noho ny fiovan’ny toetr’andro ary ny […]
FMFP : namoaka olona 30 mpanao asa tanana
Ho fanomezana lanja ny asa tanana malagasy, namoaka olona miisa 30, ny ministeran’ny Asa tanana sy ny haitao, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina FMFP. Nanomboka ny 13 febroary hatramin’ny 24 marsa 2023 teo ny fiofanana. Nilaza ny tale jeneralin’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Asa Tanana, Rabetsialonina Moustane, fa […]
Atsimo Atsinanana : sahirana ireo mpiompy tantely
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teo, tany Atsimo Atsinanana, mikorontana koa ny fiompiana tantely. Arahi-maso ny tranon-tantely raha mbola mamokatra tsara, indrindra ny karazana Mellifera Unicolor, izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy. Misavorovoro taorian’ny rivodoza ny andro iainan’ireo tantely ireo. Nahitana fiantraikany indrindra ny tranony, tsy afaka mivoaka ireo tantely […]
Jono tafahoatra : tandindonin-doza ny trondro lamatra
Manaitra ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny governemanta malagasy ny Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, ONG, ao anatin’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Miahiahy mafy izy ireo, satria « tsy misy mihitsy ny ezaka atao hampiatoana ny fanjonoana mihoampampana ny lamatra sy ny karazan-trondro mitovy aminy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana (OI). Miantraika any amin’ny […]




