Nandray diplaomaty roa misesy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly. Voalohany, ny masoivoho vaovaon’i Kanada, Christopher Cooter, monina atsy Afrika Atsimo. Manana ny toerany amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany maneran-tany i Kanada. Nomarihin’ity masoivoho ity fa tonga eto amintsika ny tenany, […]
Toe-karena
« SOS Vanille » : afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ny fanjakana
Nivaha ihany ny olan’ny lavanila rehefa avy nihaona tamin’ny « SOS Vanille » ny iraka nalefan’ny governemanta tany Sambava, tamin’ny 23 marsa teo. Afa-po tamin’ny dinika niarahana ny « SOS Vanille ». Afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny mpandraharahan’ny lavanila tany Sambava. Nanome toky aloha ny « SOS Vanille » fa tsy […]
Minisitera MMRS : nanome ra maimaim-poana ny mpiasa
« Manome ra, manome aina ». Ankoatra ny maha mpisehatra amin’ny toekarena azy, manana adidy amin’ny lafiny sosialy koa ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an- kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MM RS). Nanatanteraka fanomezan-dra maimaim-poana teny amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby ny fianakaviamben’izy ireo, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny foibe famindrana ra eo amin’ny minisiteran’ny […]
Miandrivazo : raha be indrindra, 20 sisa ny omby tonga ao an-tsena
Tsy malaza intsony ny tsenan’omby ao Miandrivazo, azo lazaina fa renivohitry ny tsenan’omby ao amin’ny faritra Menabe nandritra ny taona maro. Saingy nanomboka ny taona 2000, nahazo laka ny halatra omby tany an-toerana noho ny asan-dahalo, dia maro ny velon-taraina sy namoizana ain’olona. Teo amin’ny taona 2018, nanomboka ny fanadiovana […]
ITM 2023 : fanarenana ny fizahantany
Hatao ny 15 hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny foibe CCI Ivato, ny hetsika iraisam-pirenena mikasika ny fizahantany ITM (International tourism fair of Madagasikara), andiany fahasivy. Zava-dehibe ny hantenaina aminy, satria tsy nisy ny hetsika nandritra ny telo taona, noho ny krizy Covid-19. Mikarakara azy ny Ofisim-pirenena ho […]




