Taitra indray ny mpanjifa, nanomboka ny alin’ny alarobia sy ny marainan’ny omaly alakamisy, niverina tapaka naharitra ny herinaratra. Araka ny hita tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny Jirama ao anatin’ny tambajotra ofisialy, « tara ny fahatongavan’ny fiarabe mpitatitra solika avy any Toamasina, satria nisy lozam-pifamoivoizana tany Mandraka, ka nisy fahatapahana ny lalam-pirenena faharoa […]
Toe-karena
“Cacao fin” : manana ny kalitao tsara isika
Naharitra roa andro ary nifarana afakomaly, teny amin’ ny Radisson Ambodivona, ny fivoriana “Panel adhoc cacao fin”. Fihaonana an-tampony niarahan’ireo manampahaizana 20 avy amin’ny firenena maneran-tany mamokatra cacao, nijerena ny kalitao tsara indrindra sy ny vokatra aondrana manerana an’izao tontolo izao. Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny […]
Salon ITM : mampiakatra 15% ny harinkarena faobe ny fizahantany
Fototra iorenan’ny fampandrosoana sy mampiroborobo ny toekarena ny fizahantany noho izy mampidi-bola. Tafiditra amin’izany ny “Salon International tourism fair Madagascar”, atao eny amin’ny CCI Ivato. Mitondra anjara biriky amin’ny fivelaran’ny fizahantany sy ny hoaviny ny hetsika “International tourism fair Madagascar” (ITM) andiany fahasivy. Fotoan-dehibe mampivondrona ireo mpisehatra maro na eto […]
Toekarena manga : hapetraka ny vinan’ny fanjonoana maharitra
Nanomboka ny alarobia teo ny atrikasa iraisam-pirenena hoentina mifampizara ny fahalalana, ireo traikefa nahatongavana amin’ny fahombiazana momba ny toekarena manga, ny jono madinika sy salantsalany ary ny fiarovana ireo rohy voahary an-dranomasina. Fivoriana natao ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimo andrefan’i Afrika ary ny eto anivon’ny ranomasimbe […]
Famatsiam-bola : nanome 1,8 tapitrisa dolara ny Bad
Nanao fifanarahana roa sosona ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 12 jona teo. Famatsiam-bola tsy averina mitotaly 1,8 tapitrisa dolara. Mitentina 1,3 tapitrisa dolara ny voalohany, hanatanterahana ny Faritra hifanakalozana ara-barotra malalaka ho an’i Madagasikara sy Afrika (ZLECAF), izay tsy mbola […]





