Tapatapaka ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo Renivohitra, tato ho ato. Araka ny fanambaran’ny Jirama, tsy tomombana ny milina mpamokatra herinaratra efatra any Mandraka. Nitarika ny filatsahan’ny vata mpanova herinaratra (transformateur) TR7 sy TR8 ao Ambohimanambola izany. Vokany, tsy ampy ny tanjaky ny herinaratra vatsiana ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Talohan’izany, […]
Toe-karena
Fampandrosoana : fitakiana hanaovana ho distrika an’Imady
Manana fikambanana ny terak’Imady monina eny Ambohipo. Mitsinjo hatrany ny hisian’ny fampandrosoana any amin’ity toerana nihaviany ity izy ireo. Nanao fihaonambe ny mpikambana ny alahady 19 marsa teo, teny Ambolokandrina. Isan’ny nivoitra ny fangatahana amin’ny fanjakana ny hanaovana an’Imady ho distrika izay mbola kaominina hatramin’izao ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania. […]
Faritra Atsinanana: nirefy 120 km ny làlana vaovao novakiana
Feno telo taona ny 17 marsa teo ny naha governoran’ny faritra Atsinanana, an-dRafidison Richard. Nitatitra ny zava-bitany ny tenany, teo amin’ny lafiny toekarena, ny sosialy sns, ka isan’izany ny fanaovan-dalana. Nahatratra 2 miliara Ar isan-taona ny fampiasam-bolan’ny faritra Atsinanana, notarihin’ny governora Rafidison Richard. Isan’ny goavana nampiasana azy ny fananganana fotodrafitrasa, […]
Japana : mba tsy hamono antoka ny orinasa
Nisy akony ny fifampiraharahana tamin’ity taoana 2023 ity teo amin’ny sendikan’ ny mpiasa any Japana (Shunto) sy ny tompona orinasa. Amin’ ny ankapobeny, nitombo 3,8 % ny karaman’ny mpiasa, ambony indrindra izany nandritra ny 30 taona . Hitondra vokatra tsara ho an’ny toekarena any an-toerana koa izany sy hanatsara ny […]
Varotra ivelany : I Chine no tena ifanakalozan’i Madagasikara
Anisan’ny mampidi-bola eto Madagasikara ny fanondranam-bokatra, hatramin’ izay vokatry ny fambolena sy jono. Taty aoriana niampy ny harena an-kibon’ny tany, vatosoa sy volamena. Amina tapitrisa dolara maro ny tambiny amin’ireo fa misy miverina eto Madagasikara, misy mijanona any ivelany. Raha ny vokatry ny fambolena, ny lavanila sy ny jirofo no […]




