Toe-karena

Menabe Antimena : hanomboka ny fizarana « titre vert »

Nampahafantarina tany Morondava, ny 17 marsa teo, ny fanombohana ny tetikasa hanomezana karatany maitso (titre vert) ny mpifindra-mo­nina manodidina ny Faritra arovana Menabe Antimena (Apma). Manohana azy ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), miaraka amin’ny minisitera isan-tsokajiny voakasika, toy ny ao amin’ny Fambolena, ny Fanajariana ny tany, ny […]

Base Toliara: hitan’ny filoha ny fitakian’ny mponina

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Toliara ny filoha Rajoelina, ny 12 marsa teo, tao amin’ny Kianja Maître Kira, Andaboly. Nizara fanampiana ho an’ny traboina tratry ny rivodoza Freddy izy. Nohararaotin’ny mponina koa ity fotoana ity nitondrana sora-baventy, mitaky ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara. Nahita maso mivantana ny fitakian’ny mponina, hanokafana […]

Toamasina : fitakiana ny hanokafana ny tetikasa Volobe II

Nankalaza ny Andro ma­neran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny teto Toamasina, ny 15 marsa teo. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampi­za­kantenan’ny mpanjifa mankany amin’ny angovo madio ». Nandray anjara ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa teto Toamasina nohotronin’ny avy any Antananarivo. Anisan’ny nasongadin’izy ireo ny hanokafana ny famokarana herinaratra, ny tetikasa Volobe […]

Fanamboaran-dalana : atomboka eny amin’ny Agosthino Neto Isotry

Atomboka eny Isotry ny fanamboarana ny lalana simba rehetra eto Antananarivo ma­nomboka androany. Tapaka, noho izany, ny lalana Agos­thino Neto Isotry ka hatrany amin’ny Aigle noir. Tapaka tanteraka, araka izany, ny la­lana eo amin’io faritra io mandra-pahavitan’ny asa, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny tanànan’An­tana­narivo. Efa misy ny lamina napetraky ny tomponandraikitra […]