Nitohy, omaly, teny Ambatofotsy Avaradrano, kaominina Sabotsy Namehana, ny fanampiana ny tantsaha izay potiky ny havandra ny fambolena, ny volana mey teo. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, nanolotra vary 625 kilao, voanemba 250 kilao, vatsy tsinjo 50 isa, lafarinina 100 kilao. Nisy koa masomboly 150 fonosana sy […]
Toe-karena
Matsiatra Ambony : velarantany 9000 ha horakofana ala
Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaka amina kaominina enina ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny fandaharanasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany (PLAE) andiany fahenina. Kaominina miisa enina ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony no horakofan’ala hatramin’ny taona 2027. Anisan’izany Ambalavao, Ambohimandroso, Iarintsena, Besoa sy Vohitsaoka ary […]
Fizahantany: hanomboka rahampitso ny hetsika ITM
Atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona izao, ny hetsika “International tourism fair Madagascar” (ITM) andiany fahasivy. Lohahevitra amin’ity taona ity ny fizahantany lovain-jafy anatin’ny haitao ara-kajy mirindra. Hiavaka tanteraka ny hetsika noho izy tsy nisy nandritra ny telo taona. Hivory mandritra ireo fotoana ireo ny […]
Araka ny didim-pitsarana : an’ny tantsaha ny tany Laniera secteur 12
Nanao fihetsiketsehana ny tantsaha mamboly eny Laniera, secteur 12 (XII), ny sabotsy 10 jona teo. Satria, mbola misy manakorontana foana izany fitompoana ny tany izany. Ilay novakiana nanamboarana ny lalana avy eny Tsarasaotra mankany Ivato ity toerana ity, ahitana tanimbary sy fambolena legioma samihafa. Voasokajy ho fanajariana ny tany eny […]
Vondrona eoropeanina-Mef : tombanana ny Fed faha-11
Natao, omaly, teto Antananarivo, ny fivoriana nanombanana ny fandaharanasa ao anatin’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed), andiany faha-11. Mamatsy vola azy ny Vondrona eoropeanina (UE), izay nanomboka ny taona 2014 hatramin’ny 2020, mitentina 492 tapitrisa Euros. Anisan’ny sehatra voakasika ny fanamboarana fotodrafitrasa (204 tapitrisa Euros), toy ny lalana, ny […]





