Toe-karena

Montsana ny vidiny ambony indrindra : tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Araka ny notaterina teto omaly, nahatratra 11,5 % ny fidangan’ny vidim- piainana, ny janoary 2023 teo, araka ny tatitry ny FMI. Voaporofo sady mitohy izany ankehitriny, satria tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny vidim-bary eto amintsika. Taitra ny rehetra ! Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-bary eto an-toerana. Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy […]

FMI : niakatra 11,5% ny vidim-piainana

Nilaza ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Mokhtar Benlamine, ny alatsinainy teo, fa niakatra ho 11,5% ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madaga­sikara ny janoary 2023, raha 10,8% ny desambra 2022. Nambarany fa, anton-javatra maro no mahatonga izany, toy ny fiantraikan’ny ady any Ukraine amin’ny lafiny toekarena maneran-tany. Niakatra ny vidin-javatra ankapobeny eo […]

Trafikana zavamananaina : maherin’ny 30.000 ny sokatra tratra naondrana antsokosoko

Manao tatitra isaky ny roa taona ny fikambanana iraisam- pirenena miaro ny tontolo iainana, WWF, mikasika ny tontolon’ny biby sy ny zavamaniry dia. Voalaza fa tsy mitsahatra ny miha ratsy ny zava-misy maneran-tany. Nosinganin’ny WWF fa mirongatra ny trafika, ka isan’izany ny karazan-tsokatra sokake (Astrochelys ra­diata) eto Madagasikara sy maneran-tany. […]

Tontolo iainana : efa hatramin’ny andron’ny fahampanjaka ny fiarovana ny ala

Efa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) no nampiharina voalohany teto Madagasikara ny poilitika momba ny fitantanana ny ala, indrindra ny fandrarana ny afo.Tsy mitsahatra mitatitra vaovao momba izany ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE). Tsy azo ataotao foana ny fikapana ala toy ny hanaovana trano, ary tsy karazan-kazo […]

Fiovan’ny toetr’andro: mihena 9 kilao sisa ny vokatra kafe

Nijoro vavolombelona Rtoa Mizabety Lucienne, mpam­boly kafe, filohan’ny kaoperativa Kafe Arabika Ampefy Itasy (KKAAI), teo anoloan’ny mpianatry ny sekoly ESD. Nambarany fa miantraika any amin’ny fambolena ny fiovan’ny toetr’andro, ka anisan’izany ny kafe. Mila rano ny kafe arabika, nefa tsy ampy ny orana. Lasa mavomavo ny raviny, sady misy holatra […]