Toe-karena

Maroantsetra sy Mananara : hovahana ny olan’ny rano fisotro

Manana rano betsaka saingy tsy voafehy ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Taorian’ny fitarainan’ny mponina tamin’ny fi­loha Rajoelina, herinandro lasa izay, nidina tany an-toerana ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, ny 11 […]

Tontolo iainana: nampifandraisina ny siantifika sy ny mpampita vaovao

Manana ny anjara toerany mampita ny loharanom-baovao mankany amin’ny sehatra iantefany, ny fanaovan-gazety. Anisan’izany ny lafiny siantifika, nahatonga ny mpanao gazety niaraka nanao atrikasa tamin’ireo mpahay siansa amin’ny lafiny tontolo iainana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Varuna, ny 6 hatramin’ny 8 jona teo, tany Ampefy. Sarotra ho an’ny besinimaro ny mahafantatra sy […]

Tetikasa Produir: trano fonenana 87 haorina eny Andavamamba

Miisa 700.000 ny mponina eto Antananarivo, miaina eny amin’ny toerana iva, mora tratry ny rano. An­isan’ny asa maika tsy miantsy hatao ny fanadiovana ny lakandrano C3. Mahatratra 115.000 m3 ny fotaka mila esorina, ary tsy maintsy hafindra toerana ny mponina mipetraka manodidina ny lakandrano. Laharam-pahamehana ataon’ny tetikasa Produir, ny fanarenana […]

Faritra arovana Masoala : 100.000 dolara ho an’ny Medd

Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Fa­ri­tra arovana (AP) any Ma­so­ala io vola io. No­ma­rihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, […]

Delestazy : tonga ny solika mavesatra

Efa eny Ambohimanam­bola ary azo ampiasaina ny solika mavesatra avy any Toamasina. Tanteraka izany taorian’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny orinasa LPSA ary ny mpitatitra solika. Mbola mitohy ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina, ka hanomboka hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra […]