Notoloran’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, fiara tsy mataho-dalana miisa 4 ny tetikasa PTASO*, hampiasaina amin’ny fametrahana ilay orinasa fanodinam-bokatra lehibe any Atsimo Andrefana. Efa manomboka ny fanatanterahana io tetikasa io amin’ny alalan’ny fanadihadiana ifotony momba ny fametrahana ny faritra fanodinana ny vokatry ny tantsaha ho lasa vokatra ho azo jifain’ny mponina […]
Toe-karena
Varotra anatiny : efa niasa avokoa ny 85 % amin’ny fiara
Tsy mitsahatra miroborobo ny varotra fiarakodia efa niasa avy any Eoropa tonga eto Madagasikara na eo aza ny krizy isan-karazany. Tamin’ny fotoanan’ny Covid, ohatra, ny fanafarana no nihena na nitsahatra, araka ny firenena niaviany fa ny varotra nandeha ihany teto an-toerana na somary nihena aza. Nisy fotoana nitombo 41 % […]
Vela-kevitra sekoly ESD: tsy ampy ny fandrindrana ny asa hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Nisy famelabelaran-kevitra mikasika ny tontolo iainana ho an’ny mpianatry ny Sekoly ambony momba ny zo sy ny siansa politika (ESD) eny Nanisana, omaly. Nifantoka tamin’ny hoe « fiovaovan’ny toetr’andro : ny zava-misy sy ny fanamby ho an’i Madagasikara ». Maromaro ireo manam-pahaizana avy eto Madagasikara sy avy any ivelany nandray anjara tamin’ny famelabelarana […]
BAD sy Kanada : manohana ny PME ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Miara-miombon’antoka ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoa (Bad) sy ny governemanta kanadianina, hanokana tahiry ho fampiroboroboana ny orinasa madinika hivelatra amin’ny sehatra fambolena sy fahaleovantena ara-tsakafo Tsapa fa vonona ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) hameno ny banga, hamelona ny tontolon’ny tontolo iainana sy hanomezana aina avy amin’ny ny sehatry […]
Fiarovana ny mpanjifa : fahafahana mahazo angovo sy amin’ny vidiny ara-drariny
Miara-mientana amin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa (JMDC) ny minisitera misahana ny Fanjifana sy ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Any Toamasina no hanamarihana ny JMDC amin’ity taona ity. Lohahevitra mifandraika amin’ny fanjifana sy ny fiantraikan’izany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no hanompanana ny fankalazana, ny […]




