Tao anatin’ny androratsy tanteraka, nitohy ny fitsinjarana ny vary mora tao Mananjary, ny talata teo. Vary 1.500 kg namidy anatin’ny fokontany iray. Amidy 1.200 Ar ny kilaon’ny vary. Miisa enina ireo fokontany nisitraka io famarotana vary mora io. Nahatratra 18 taonina ny vary nojifain’ireo mponina ao an-toerana. Mbola manana tahiry […]
Toe-karena
Atsimo Atsinanana : atrehina ny fiovaovan’ny toetr’andro
Notontosaina omaly tao Farafangana, notarihin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), nahitana solontenan’ny prefektiora sy ny faritra, avy amin’ny talem-paritra, sy ireo fikambanana maro samihafa.Toy ny tetikasa Giz Prada ihany, HIH, MBG, nisy hevitra avy amin’ny maro an’isa noraisina namosaka ny tolo-keviny. Haharitra 48 volana ny tetikasa […]
Amboasary Atsimo : velaran-tany 1 000 ha hisitraka rano
Noho ny olana ara-tsakafo ateraky ny haintany ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo sy Ambovombe, nanomboka omaly ny asa fanarenana ny lemak’i Behara. Nosantarina tamin’ny asa famerenana amin’ny laoniny ny fitarihan-drano amin’io lemaka goavana io, afaka manondraka hatramin’ny velaran-tany 1.000 ha izany, raha 350 ha monja no voatondraka amin’izao fotoana izao. Ho […]
Mahitsy : mamoaka atody tsy latsaky ny 150.000 isan’andro
Eo ho eo amin’ny 40 %-n’ny atody jifaina eto Madagasikara dia avy amin’ny toeram-piompiana akoho ao amin’ny kaominina Mahitsy avokoa. Betsaka ny olona mivelona amin’ny fiompiana akoho, ankoatra ny fambolena. Miavaka ny kaominina Mahitsy, eto amin’ny Nosy, amin’ny maha mpamokatra atody azy, ary betsaka ny jifaina eto an-toerana. Araka ny […]
Fitohanan’ny fifamoivoizana : 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka
Misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Tombanana 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fitaterana, araka ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Fatiantoka 0,34 % amin’ny harinkarena faobe. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena ihany, ny Renivohitr’i Madagasikara laharana faha-134 amin’ireo 150 tanàn-dehibe indrindra. Misy ampahan-dalana […]




